
Notontosaina tetsy amin’ny Softibox etsy Tsiadana ny fifaninanana “Webcup 2016” ny faran’ny herinandro teo. Fantatra tamin’izany fa hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena, ny volana novambra izao, ny ekipan’ny Proud Geek.
Tsiahivina fa 56 ireo mpandray anjara naneho ny fahaizany teo amin’ny famoronana “site internet” tao anatin’ny 24 ora. Marihina fa iarahana amin’ireo Nosy maro aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny fifaninanana “Web Cup”. Nahatratra 240 ireo kandidà nisoratra anarana tamin’izany.
Samy nitondra ny fitaovana nampiasainy ireo mpandray anjara. Anjaran’ny mpikarakara kosa ny namatsy ny “connexion”. Mikaondoha amin’ny famoronana “site internet” ireo ekipa mifaninana ary mamoaka izay tsara indrindra ao aminy handresen-dahatra ny mpitsara.
Tamin’ity taona ity, nahazo ny loka voalohany ny ekipan’ny Proud Geek, nanaraka azy ny Excelsior ary fahatelo ny Geek Squad.
Nahitana an’Andriamamonjy Karen, Razafindrakoto Jary, Andriantsoamberomanga Andrianina ary Randriamasy Matthieu ny tao amin’ny ekipan’ny Proud Geek izay hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny famaranana.
Tatiana A