
Hipoka kristianina maro tetsy amin’ny FJKM Isotry Fitiavana, ny tolakandron’ny alahan’ny Pentekosta. Nankalaza niaraka ny androm-bavaka maneran-tany na” Global Day of Prayer” ny mpino.
Ora sy fotoana mitovy, alahadin’ny pentekosta 15 mey, tamin’ny telo ora tolakandro niarahana tamin’ny kristianina marobe manerana ny firenena maherin’ny 200 maneran-tany ny fotoam-bavaka manetriketrika “Global Day of Prayer” ny alahady teo tetsy amin’ny FJKM Isotry Fitiavana.
Fotoana nitolomana am-bavaka sy nifonanana io fotoana io mba hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra hanova ny fiainan’ny fiarahamonina ho amin’ny tsara. Maro ny dingana efa narahina tamin’ity hetsika androm-bavaka maneran-tany ity. Nisy ny 10 andro mialoha ny Pentekosta izay niarahan’ny vondrona kristianina nanao vavaka mitohy. Teo koa ny fotoana niarahan’ny kristianina nanandratra fiderana. Ankoatra izany ny 90 androm-pitahiana natao hifanampiana sy hifanomezan-tanana eo amin’ny samy krsitianina.
Anisan’ny mpikarakara ny hetsika ny Fikambanan’ny Mpiara-mamaky Baiboly (FMMB) sy ny Fikambanana mpampiely Baiboly malagasy (FMBM).
Efa fanao isan-taona ny hetsika “Global Day of Prayer”. Fanandratana vavaka miaraka no tena tanjona hisian’ny valim-bavaka hiantefa amin’ny andavanandrom-piainan’ny mponina ao anatin’ny firenena.
Tatiana A