![]()
Araka ny antontanisa nomen’ny sampandraharaha misahana ny fampitam-baovao eo anivon’ny polisim-pirenena (Sicri), nahazo vahana ny sinto-mahery tao anatin’ny roa volana farany (oktobra sy novambra 2019) teo. Nanao izay ho afany tanteraka, araka izany, ny eo anivon’ny polisim-pirenena tamin’ny alalan’ireo kaomisaria (CSP) anatin’ny boriborintany enina eto an-dRenivohitra, niaraka amin’ireo “poste de police” nandrava ireny andian-jiolahy ao […]