
Hopitaly lehibe sy arifomba aty Afrika ny HJRA ary nanana ny lazany mihitsy fahiny. Afaka mitahana amin’ny hopitaly hafa izy ankehitriny satria nahazo fitaovana avo lenta.
Nohavaozina sy nahazo fitaovana vaovao avo lenta ny toeram-pitarafana ao amin’ny HJRA. Tsy voatery mandany vola mankany ampitan-dranomasina intsony raha hanao fitarafana toy ny IRM, scanner, lithotripsie… fa vita ao avokoa izany manomboka izao. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiray ombon’antoka maro no nahazoana ny fampitaovana manaraka ny fivoaran’ny teknolojia : anisan’izany ny NIP, Elsmed, orinasa Star, banky BVF-SG,… « Hitsaboana ny vahoaka ny fitaovana vaovao fa andoavana sarany zakan’ny rehetra », hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Andriamanarivo Lalatiana omaly, teny Anosy.
Ankoatra ny fitarafana raitra, eo am-pametrahana ny milina fanaovana radiothérapie vaovao eo anivon’ny HJRA koa ny tomponandraikitra. Efa an-taonany maro no simba ny fitaovana tokana ho an’ny sarambabembahoaka ahafahana manao izany ka rehefa tsy afaka mitsabo tena any ivelan’ny Nosy dia miandry fahafatesana. Handray mpiasan’ny fahasalamana 1 000 vaovao ny fanjakana hiasa manerana ny Nosy ka ny 500 paramédicaux, ny 500 ambony kosa mpitsabo manana « spécialité » avokoa hirindra amin’ny fitaovana vaovao tahaka izao.
Nanohana ny asa fanavaozana ny orinasa Star
Nitarina koa ny toeram-pandraisana ny vonjy aina ao anatin’ny hopitaly ihany. Nanohana amin’ny asa ny orinasa Star amin’ny vola 30 tapitrisa Ar. Nentina nanavao ny fotodrafitrasa iray manontolo ny fanampiana (loko, tafo ary fanatsarana ny efitra fandraisana…) hampitombo ny fahafahana mandray marary. Raha 15 monja ny fandriana azo handraisana marary teo aloha, nitombo ho 25 ankehitriny. « Anisan’ny fanohanana goavana nentin’ny orinasa tamin’ity taona ity izany, araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny orinasa Star », Rabary Anna. Nametrahana takelam-pahatsiarovana an’ny Star ao amin’ny toeram-pandraisana nohavaozina.
Tafiditra amin’ny famaranana ny faha-40 taon’ny HJRA ny hetsika fitokanana ny zava-bita omaly, izay notronin’ny filoham-pirenena.
Vonjy A.
Cet article 40 taona aty aoriana : nahazo fitarafana avo lenta ny HJRA est apparu en premier sur NewsMada.