
Nibahana ny lalam-bahoaka ireo mpitatitra mitondra Bajaj, omaly, tao Mahajanga. Nitohana ny fifamoivoizana, vokatr’izany. Sahirana ny mpampiasa lalana teo anatrehan’ity fitokonana ity. Anton’ny fitokonana ny fitakian’ireo mpikambana amin’ny fitaterana Bajaj ao Mahajanga ny hampiharana ny bokin’andraikitra manome alalana azy ireo hiasa malalaka: mitondra olona ivelan’ny renivohitra sy miasa tontolo andro sy alina. Efa nitory teny amin’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana (tribunal administrative) izy ireo ary nahazo rariny ka izay no fototry ny olana. Nilaza mantsy ny eo anivon’ny mpitandro filaminana sy ireo tomponandraikitra ao Mahajanga fa mbola tsy naharay izany taratasy fanomezan-dalana izany. Teo no niantombohan’ny olana ka niafara tamin’izao fitokonana fibahanan-dalana izao.
Mikiry ny hampiharana io voalazan’ny bokin’andraikitra io ireo mpitatitra amin’ny Bajaj, ny tomponandraikitra indray, miezaka mandamina sy mifehy azy ireo hanesorana ny sakana eo anoloan’ny lapan’ny Tanàna, omaly. “Andraikitray ny mamaha ny làlana tsy ho voabahana sy tsy hanelingelina ny hafa izay mpampiasa izany. Izahay tsy miditra amin’ny votoatin’ny didy na ny olana fa mandamina ny fifamoivoizana no andraikitray”, hoy ny kaomisera Rakoto Richard Thomas raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety, omaly.
Efa nisy ny toy izao teo aloha teo. Nilamina anefa izany, saingy izao niverina izao indray. Nanambara àry ny prefet ao Mahajanga fa “nipoitra izao olana izao taorian’ny nandraisan’ny ben’ny Tanàna ny andraikiny. Ireo mpiasan’ny kaominina sy ny mpitondra nifandimby teto mantsy no manana Bajaj betsaka miasa eto Mahajanga ka mahatonga izao olana izao”.
Mitaraina ny taxi sy ny posy
Eo anatrehan’ny fampiasana Bjaja ao Mahajanga anefa, mitaraina ireo mpitondra taxi sy mpitari-posy noho ny fahatsapan’izy ireo fa voailikilika eo am-panaovana ny asany, rah any resaka ifanaovan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety. Anjakan’ny Bajaj ny tsena ary mihamitombo hatrany ny isan’izy ireo, araka ny voalazan-dry zareo. Mahatsiaro tena ho matiantoka ry zareo noho ny fifaninanana tsy mifandanja.
Andry F. sy Njato Hervé
Cet article Niditra an-tsehatra ny Emmo/Reg tany Mahajanga : nitokona ary nibahana arabe ny mpitondra Bajaj est apparu en premier sur NewsMada.