Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Raharaha fitazonana olona an-keriny : natao fanadihadiana lalina ny filohan’ny Hafari

$
0
0
hafari13-10-16

 Niatrika ny mpitsara zokiolona, nanaovana fanadihadiana lalina momba ny raharaha anenjehana azy ny filohan’ny Hafari Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina, omaly tolakandro. Heloka anenjehana azy ny fitazonana olona an-keriny nandritra ny andro vitsivitsy. Tsy mbola fantatra kosa ny fotoam-pitsarana ity raharaha hafa anenjehana azy ity. Nanitrikitrika hatrany anefa ilay olona nitory azy fa hoe notazoniny an-keriny. Nohamafisiny hatrany anefa fa misy ambadika izao fanenjehana azy izao izay niafara tamin’ny fampidirana am-ponja azy. Noforonina mba hamotehana ny fikambanana Hafari Malagasy izany, raha ny filazan’ireo olona akaiky azy.

Tsiahivina fa nohafahan’ny fitsarana izy tamin’ilay raharaha fisandohana andraikitra tamin’ny famindrana ireo mponina teny Namontana, ny 4 oktobra 2016. Nomelohin’ny fitsarana sazy mihatra iray volana an-tranomaizina kosa izy tamin’ilay raharaha fampiasan-kery. Naverina teny am-ponja indray anefa izy taorian’izay satria mbola misy ity raharaha hafa ity anenjehana azy.

J.C


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>