
Tsy mifidy asina ny jiolahy ? Tovolahikely vao 13 taona monj, nofirain’ny olon-dratsy ny antsy, tany amin’ny fokontany Antsoamanilika Maintirano, ny alatsinainy alina teo. Soa ihany fa tsy nitarika tany amin’ny fahafatesany izany tsindron’antsy izany. Araka ny vaovao avy any an-toerana, handeha hody rehefa avy namonjy famonosan-damba ny razana na hoe namonjy asalolo, ilay zalahy ity. Sendra ireo olon-dratsy ary izao nilany vaniny izao ary tsy namelany raha tsy noratrainy.
Mitaraina ny olona any Maintirano, fa efa anatin’ny faritra mena mihitsy ny any an-toerana amin’ny asan-jiolahy. Mamely ireo jiolahy an-dRenivohitra, mampitondra faisana ny dahalo amin’ny faritra ambanivohitra. Miantso ny mpitandro filaminana izy ireo mba hanamafy ny fisafoana ataony amin’ireo toerana tena mahamay. Tsy nisy tratra ireo nahavanon-doza namono ity zazalahy ity. Manokatra famotorana ny zandary.
Yves S.