Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

“Trésor” Tsiroanomandidy : voatafika ny birao

$
0
0
tsididy

Nidiran’ny jiolahy ny biraon’ny tahirim-bolam-panjakana any Tsiroanomandidy, ny 10 oktobra lasa teo, tokony ho tamin’ny 2ora sy sasany maraina. Tsy fantatra mazava ny isan’ireo olon-dratsy, izay voalaza fa nanakorontana ny tao anaty birao. Henon’ny tale ny fisian’ireo jiolahy tao ambany rihana misy ny birao ka niantso ny zandary haingana izy io. Tonga tany an-toerana ny zandary ka nitsoaka ireo olon-dratsy. Voalaza fa nisy polisy roa niambina tao an-toerana fa tsy naheno na inona na inona nandritra ny fidiran’ireo jiolahy tao, sy ny korontana nataon’izy ireo. Tsy nisy zavatra azon’ireo jiolahy ireo noho ny hafainganan’ny fahatongavan’ireo zandary fa nitsoaka sisa azony natao. Nidina teny an-toerana ny kaomandin’ny vondron-tobin’ny zandary nijery ny zava-misy ary manao ny famotorana ny  polisy.

Tato ho ato, matetika lasibatry ny jiolahy ireny biraom-panjakana ireny. Vao haingana nisy nanafika toy izao koa ny biraon’ny mpirakidraharaha fitsarana any Arivonimamo. Nanakorontana birao toy ny nitady taratasy, sns.

Rehefa tsy tranon’olon-tsotra ny tafihin’ny olon-dratsy, izao indray ny biraom-panjakana. Endriky ny tsy fandriampahalemana eto amintsika hatrany izao. Tsy voafehy ny asan-jiolahy, tsy an-dRenivohitra, tsy ambanivohitra. Mandry andriran’antsy ny vahoaka, mila ny fanampian’ireo miaramila marobe mandehandeha manerana ny Renivohitra ireto. Raha mba miandry isam-pokontany moa ireo?

Yves S.

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986


<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>