
Naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy natolotra ny fampanoavana omaly ny filohan’ny Hafari Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina…
Fitazonana olona an-keriny. Io ny heloka niampangana ny filohan’ny Hafari Malagasy ka nampidirana am-ponja vonjimaika azy eny Antanimora indray rehefa avy nohenoin’ny fampanoavana. Raha ny zava-nitranga teny amin’ny fitsarana omaly, latsa-dranomaso ny raha nilaza fa tsy nohenoina ny vavolombelona avy any aminy. Endrikendrika no betsaka ao ambadik’izao fanenjehana azy ireo, raha ny fanazavana teny amin’ny fitsarana.
Hiakatra fitsarana anio kosa ny momba ilay raharaha fisandohana andraikitra izay anenjehana azy. Efa fanindroany amin’izao, araka izany, ity filohan’ny Hafari Malagasy ity no niakatra teny amin’ny fitsarana.
Tsiahivina fa ny 22 aogositra 2016 lasa teo, naiditra am-ponja eny Antanimora izy noho ny fitoriana samihafa izay anenjehana azy. Isan’izany ilay raharaha nahavoarohirohy azy ho nisandoka andraikitra tamin’ny famindrana ireo mponina teny Namontana izay tsy nisy taratasy mazava.
Vory lanona teny amin’ny fitsarana, omaly ireo mpikambana rehetra ao amin’ny Hafari Malagasy izay samy naneho ny alahelo ny momba ny fanenjehana ny filohan’ny Hafari.
J.C