
Maty tsy tra-drano rehefa nisy nanindrona tampoka tamin’ny vy maranitra tao anaty karaoke, teny Andraisoro, ny tovolahy iray tokony ho 24 taona, afakomaly tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Araka ny vaovao voaray, nilanonana tao amin’ity toerana ity io tovolahy io sy ny namany. Nisy ny adiady nitranga ka tao anatin’ny fotana fohy ny nitrangan’ny fanindromana vy maranitra. Nitambotsitra izy io, ary namoy ny ainy. Araka ny voalaza, tsy fantatra izay nanindrona ilay zava-maranitra azy ity. Tonga teny an-toerana ny polisy, ary nisambotra olona maromaro. Nisy tamin’ireo ny naman’ilay tovolahy ihany, ary tazonina anaovana famotorana ao amin’ny BC Anosy. Tsy mbola nisy nipika ny fanadihadiana momba izany. Mbola anatin’ny fanadihadiana ny polisy, ary efa tanana ireo nahiahina ho nahavanon-doza. Efa nametraka fitoriana rahateo ny fianakavian’ilay tovolahy maty, ary miandrandra izay ahitana ny tena marina.
Yves S.