
Nahatrarana fanafody Rivotril miisa 4.000 tamina teratany frantsay iray, tany amin’ny seranam-piaramanidina Saint-Denis, La Réunion, ny asabotsy teo. Avy aty Antananarivo io olona io, talohan’ny nahatrarana azy. Voalaza fa nijanona efatra andro teto Antananarivo io teratany frantsay io vao namonjy tany La Réunion. Any an-toerana ny olona handray ireo fanafody ireo, kanjo saron’ny polisy miahy ny fanaraha-maso anatiny. Henon’ny alika mpitsongodia ny fisian’ireo fanafody ireo, izay nafenina naraikitra tany an’elakela-pen’ilay vehivavy. Nosavana ka tratra tao ireo fanafody ireo.
Mitentina 30.000 euros (eo ho eo amin’ny 90 tapitrisa Ar) eo ny vidin’ireo fanafody ireo. Fanafody izay voasokajy ho zava-mahadomelina ary tsy azo aondrana izy io. Eo am-pelatanan’ny polisy reonioney ny raharaha.
Teratany malagasy iray notsaraina tany Maorisy, ny faran’ny herinandro teo, noho ny fitondrana heroïne milanja 319,2 grama, tamin’ny 30 jona 2010. Natelin’ilay tovolahy malagasy izy io ny nitondrana azy tany ivelany kanjo sarona ihany. Nodidina izy namoahana ireo bolabola ireo. Efa hatramin’ny 2010 ny nitanana am-ponja azy tany Maorisy, ary mbola amin’ny 11 oktobra vao hivoaka ny didim-pitsarana momba azy ity.
Yves S.