Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Ambohimanarina : telo lahy mpanendaka voasambotry ny polisy

$
0
0
polisy

Efa isaky ny boriborintany mihitsy ny firongatry ny asa fanendahana eto an-dRenivohitra. Tovolahy telo voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahenina Ambohimanarina, ny sabotsy 30 jolay 2016 tamin’ny 06 ora hariva, teo am-panendahana. Voalaza fa lehilahy iray 30 taona no nendahina tovolahy miisa telo teny Ambatolampy Ambohimanarina. Lasan’izy ireo tamin’izany ny finday roa. Niantso polisy avy hatrany ilay voaendaka ka voasambotra ny iray amin’ireo mpanao ratsy ny harivan’io ihany. Io indray avy eo no nanoro ny namany ka noraisim-potsiny ireo roa lahy namany ny alahady 31 jolay 2016 teny an-toerana ihany. 20 ka hatramin’ny 23 taona ny salan-taon’izy ireo. Tamin’ny fanadihadihana natao, niaiky izy ireo fa mpanao ity asa ratsy ity ary amin’iny faritra iny ny tena famelezany. Natolotra ny fampanoavana, omaly, izy ireo ary naiditra am-ponja vonjimaika.

Anisan’ny mitaraina amin’ny afitsoky ny mpanendaka ihany koa ny eny Avaradoha eo amin’ny fiantsoan’ny bus 23 taloha midina hatrany amin’ny Institut Pasteur. Matetika isehoana fanendahana amin’iny arabe iny. Tsy misy loatra ny polisy manao fisafoana amin’iny toerana iny matetika. Miantso ny polisy mba hijery akaiky iny faritra iny ny mponina.

Yves S.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>