
Niakatra teo anivon’ny fitsarana misahana ny ady heloka bevava, Toamasina indray, omaly maraina, ilay raharaha nahavoarohirohy ny Evekan’ny fiangonana anglikana, diosezin’i Toamasina, izay voampanga ho nanodikodim-bola 218 tapitrisa Ar. Noafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana anefa izy io.
Raha tamin’ny 8 desambra 2015 no efa notsaraina izy ity, fa tsy tontosa noho ny tsy nahateo ny voampanga. Tamin’ny 9 ora maraina niantomboka ny fiantsoana an’ ireo rehetra
voampanga sy mpiampanga amin’ ity raharaha ity, omaly. Naharitra adim-pamataran’
efatra be izao ny fifandaharana teo amin’ny roa tonta sy ny fanadihadiana ary ny famotorana nifandimbiasan’ny mpahay lalàna nisahana ny fitsarana ady heloka bevava. Samy nanana ny mpisolovavany rahateo ny mpiampanga sy ampangaina.
Raha iverenana ny tantara, fanodikodinam-bola teo anelanelan’ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2011, sy fandoavana karaman’ireo presibitera. Tsy voalamina tamin’ny alalan’ny raharaham-pihavanana teo anivon’ny samy mpiray fiangonana no antony nitondrana an’ ity raharaha ity teo anivon’ny fitsarana. Efa niala maina hatramin’ny fivondronan’ny eveka aty Afrika mihitsy aza raha ny fifandaharana tao amin’ny fitsarana.
Raha ny famakian’ny mpirakidrahara ny antontan-taratasin’ ady aloha, fitsipaham-pitokisana sy fanodikodinam-bola mitetina 218 tapitrisa Ar eo anivon’ny fitantanana ny diosezy ny fiampangana ny Evekan’ny anglikana diosezy Toamasina, Solo Jean Paul, raha firaisana
tsikombakomba kosa ny an’ireo namany.
Samy tsy mandray karama
Nandà hatrany ny fiampangana azy ity lehibem-piangonana any Toamasina ity ary nilaza fa tsy ireo presibitera ireo ihany no tsy nandray karama fa hatramin’ izy tenany eveka. “Noho ny tsy fahampian’ny vola miakatra isaky ny paroasy no sakana tsy nahafahana mandoa ny vola any amin’ny Cnaps sy karaman’ ireo presibitera« , hoy izy teo amin’ny fiarovan-tenany. Nambarany fa ny taona 2000 nohamasinina ho eveka izy ary efa nivantana tamin’ny trosa misavovona tamin’ io fitantanana ny diosezy io.
Didim-pitsarana ara-piaraha-monina mba hitandrovana ny haja sy voninahitra amin’ny maha eveka kosa ny nandraisan’ny vahoaka maro tonga tetsy amin’ny lapan’ny fitsarana izay nanaraka akaiky an’ ity raharaha ity.
Sajo sy Yves S.