
Nanatanteraka hetsika fanomezandra maimaimpoana teny amin’ny centre de transfusion sanguine hopitaly HJRA ny teo anivon’ny polisim-pirenena, omaly maraina. Ny sekretera jeneralin’ny polisim-pirenena, ny Contrôleur général de police, Andrianomenjanahary Josoa izay nisolo tena ny minisitra sy ireo filoha mpandrindra ny fankalazana ny faha-55 taonan’ny polisim-pirenena no nitarika ity fanomezan-dra teny amin’ny hopitaly ity. Fantatra fa tafiditra hatrany ao anatin’ny fankalazana ny faha-55 taonan’ny polisim-pirenena sy fitazonana hatrany ny teny filamatra hoe : Polisim-pirenena manaja ny zo maha olona; antoky ny fampandrosoana ity hetsika ity. Navoitran’ny filoha mpandrindra ny fankalazana, ny Contrôleur général de police, Velotsara Marcel fa ny anjara asan’ny polisim-pirenena ny fiarovana ny ain’ny olona sy ny fananany ka izay no nahatonga azy ireo nisafidy hanome ra an-tsitrapo sy maimaimpoana ho an’ny Malagasy sy/na ireo mila ra satria tafiditra ao anatin’ny fiarovana ny ain’olona izany. Nankasitraka izao hetsika izao ny talen’ny Centre national de transfusion sanguine, ny dokotera Herisoa Raft Fortunée fa fandraisana andraikitra mivantana ho an’ny mpiray tanindrazana izao hetsika nataon’ny polisy izao.
Jean Claude