
Nobahanan’ny fianakavian’ilay tovolahy nisy namono teny Andohatapaneka, ny lalana miditra ny tanànan’i Toliara, omaly. Tapaka nandritra ny ora maromaro izany. Saika nirefotra ny lakrimozena…
Vokatry ny fahatezeran’ny fokonolona ao Andakoro, notapahin’izy ireo ny lalana RN 7 omaly maraina ka tapaka nandritra ny ora vitsivitsy ka razana vao tonga no nabahana teo afovoan’ny arabe. Araka ny vaovao azo, vokatry ny famotsoran’ny polisy ireo olona voarohirohy tamin’ny famonoana ho faty ilay tovolahy havan’izy ireo taty an-dRenivohitra no anton’izao fanakanan-dalana izao. Tsy vao sambany izao ny fanakanan-dalana niseho tao Toliara fa ity indray mitoraka ity no hafa kely satria ilay razana no, nasaina naverina teny Andatabo nabahana ny arabe. Raha zohina ny tantara, nisy namono tany Andohatapenaka any Antananarivo ity tovolahy raha nanenjika ny bisikiletany izay nisy nangalatra ka maty tsy tra-drano satria izy indray no natao ho nangalatra, araka ny fitantaran’ireo havany. Olona miisa 20 no voarohirohy tamin’ity raharaha ity nefa telo no notazonina fa ny 17 kosa navotsotra. Araka ny vaovao azo ihany, tsy nisy ny fandraisana andraikitra nataon’ireo namono tamin’ny fikarakarana ny razana ka izany no nahatezitra ireto fokonolona mana-manjo ireto nanao izao fanakanan-dalana izao. Tsy nisy fiara niditra sy nivoaka ny tanànan’i Toliara, nandritra io fanakan-dalana io. Tonga teny an-toerana ny Prefet-n’i Toliara tsy nahavoavaha ny olana niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana. Ny Ben’ny Tanàna ao Betsinjake no niezaka nandresy lahatra ireo olona vao nesorina ny razana izay nentina nody teny Andakoro. Nanamafy ireto fianakaviana ireto sy mangataka ny hisian’ny famotorana marina.
CMS