
Raha 6 344 ny isan’ireo mpanala ny fanadinana CEPE ny taon-dasa, niakatra ho 6 890 ny izany amin’ity taona ity. Toy ny tamin’ny taona 2015 anefa, mbola vitsy ihany ireo nisafidy ny “option A » satria 52 monja izy ireo. 5 958 kosa ireo nirona nankany amin’ny « option B » ary 3404 kosa ireo « option C ». 55 taona ny zokiny indrindra amin’ireo mpiadina avy ao Antsirabe I, 7 taona kosa ny zandriny indrindra.
Hitsinjara amin’ny toeram-panadinana 13 ireto ankizy mpiadina ireto mandritry ny fanadinana ary efa vonona avokoa ireo efitrano 164 handray azy ireo. Anisan’ny hampiavaka ny amin’ity taona ity ny fampiasana ordinatera amin’ny fitsinjarana ireo ankizy iray efitranom-panadinana. Mbola hampiasana ordinatera ihany ny fitsarana amin’ny fikirakirana ny voka-panadinana.
Ho fanomanana ny fiatrehan’ireo ankizy ny tena fanadinana hotanterahina ny 5 jolay, nanatanteraka fanadinana andrana ny eo anivon’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antsirabe I ny talata teo. Nandray anjara tamin’izany avokoa ireo sekoly misy ao an-toerana. Tanjona ny hitsapan’ireo mpiadina ny mety zava-hiseho mandritry ny tena fanadinana. « Hanampy ny mpiadina hiatrika ny tena fanadinana ny « CEPE blanc », mba tsy hivoraka sy hitaintaina izy ireo rehefa tonga ny fotoana satria tsy hitovy amin’ireo fanao any am-pianarana no hatrehin’izy ireo. Na ny toerana na ny toetr’andro eny fa na ny olona iray dabilio amin’ireo mpanala fanadinana aza hiova amin’ny mahazatra azy ireo avokoa », hoy ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Rasoamahefa Henri. Mety hampiova zavatra maro tokoa ny tsy fahafantaran’ireo ankizy ny miandry azy mandritra ny andron’ny fanadinana.
Tanjona faharoa amin’ny fanadinana andrana koa ny fahalalan’ny sekoly ny lesoka tokony harenina ho an’ireo mpianany.
VICKY (Antsirabe)