
Tsy araka ny niheveran’ny sasany azy ny amin’ny mety hisehoan’ny savorovoro. Nanaraka ny fandaminana nomen’ny Emmo/Reg ireo nanatitra voninkazo tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, omaly ho fahatsiarovana ny faha-44 taon’ny “Raharaha 1972”. Niatrana niaraka amin’ny fitaovam-piadiana ireo mpitandro filaminana.
Nilamina ! Vao maraina, rakotry ny Emmo/Reg, ny teny Analakely sy ny manodidina. Niasa avokoa ny fiara 4×4 sy ny kamiao be maromaro. Manomboka eny Ambohijatovo ka hatreny amin’ny gara Soarano izany. Tonga teny an-toerana ireo mpitarika politika nanatitra voninkazo teo anoloan’ny lapan’ny Tanàna tamin’ny 10 ora. Anisan’izany ny PLD, Rabeharisoa Saraha G, Olalah, ny Otrikafo… Voahaja ny fepetra ny amin’ny tsy tokony haha maro ireo manatitra voninkazo. Na izany aza, nitangorongorona ireo mpanara-dia ireo mpanao politika, tao koa ireo liana ny amin’ny mety hiseho. Tsy afaka nanaraka ny mpitarika anefa izy ireo fa nanao tazan-davitra, eny ambany “arcade”. Tsy azo nandehanana rahateo ny lalana sasany manodidina ny Araben’ny Fahaleovantena.
Nihantsy sy nisiotsioka fa tsy nampiraika ny Emmo/Reg
Tazana koa anefa ireo mpiandry kendry tohina, hanararaotra ny korontana mety hiseho. Efa nampitandrina anefa ny Emmo/Reg fa hisambotra avy hatrany raha vao mitranga izany.
Nilamina ihany amin’ny ankapobeny. Voafehin’ny Emmo/Reg ny raharaha.
Niala tsikelikely ireo olona rehefa mitataovononana. Efa ny hariva kosa vao nandao ny teny an-toerana ny Emmo/Reg.
Araka izany, tena nampiseho ny heriny miaraka amin’ny fitaovam-piadiany sy ny hamaroany ny mpitandro filaminana. Tena nivonona tanteraka ! Ireo niketrika ny handrangitra na hihantsy koa anefa tsy nampiraika azy ireo… Efa niandry izany ireo mpanao politika zatra korontana ?
Nakaton’ny Tetezamita ny kianjan’ny 13 mey
Tsiahivina fa efa nofefen’ny mpitondra Tetezamita ny kianjan’ny 13 mey, nanorenany ny lapan’ny Tanàna, niheverany fa izy ireo no ho eo amin’ny fitondrana aty aoriana ka tsy tokony hiverina eo intsony ny vahoaka. Nanaraka izany fotsiny ny fitondrana aty aoriana. Tahaka izany koa ny nanidiana ny kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo rehefa tonga teo amin’ny fitondrana ireo nanongam-panjakana. Notokanan’ny ben’ny Tanàna, Rajoelina makotrokotroka anefa tamin’izany ary nambara fa toerana hanehoana hevitra. Niharitra ny fifandonana sy ny herisetra ary ny lakrimozenin’ny Emmo/Reg nandritra 5 taona ny mpomba an-dRavalomanana sy ny ankolafy telo : Anosy, Ambohijatovo, Tsimbazaza, Ankorondrano, Behoririka, Analakely… Nosamborina mihitsy aza ny sasany.
Ifandovana tahaka izany ny fifampitondrana satria tsy miverina miainga any ifotony isika. Tsy mitady vahaolana maharitra, tsy hisehoan’ny fifampihantsiana lava izao. Mba ho fahatsiarovana sy fety iraisana fa tsy hizarazara hatrany…
Synèse R. sy Yves S. Ary Tiana