
Hita ary azo sary tamin’ny “caméra de surveillance”, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato avokoa ny zava-nitranga rehetra tamin’ny fanondranana an-tsokosoko ireo sokatra miisa 130, sarona tany Maorisy, ny alatsinainy teo. Anarana tomponandraiki-panjakana ambony no re fa ao ambadik’izany, araka ny filazan’ny mpiasan’ny ladoany.
Tsy nandalo “scanner”, tsy nandalo fisavana tao amin’ny mpiasan’ny ladoany, polisy sy ny zandary fa tonga dia namantana tany amin’ny “tarmac” ny fiara 4×4 iray, nitondra ireo sokatra naondrana an-tsokosoko tratra tany Maorisy ny alatsinainy teo. Hita tao anaty “caméra de surveillance” tao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato avokoa ny fomba nataon’ireo olon-dratsy tamin’izany, rehefa nanao ny fanadihadiana rehetra ny fadin-tseranana. ”Efa fantatra avokoa ireo olona rehetra tafiditra amin’ity raharaha ity. Haseho tsy ho ela ny marina”, hoy ireo tompon’andraikitra ny fadin-tseranana eny Ivato, nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly, teny Antaninarenina.
“Na iza na iza, na mpitondra fanjakana na tompon’andraikitra, vaky ny ady amin’ireo mpanondrana an-tsokosoko sy ny mpiray tsikombakomba aminy. Rehefa misy zavatra tafavoaka any ivelany, ny fadin-tseranana foana no voatonontonona”, hoy izy ireo. Taorian’ny nahatrarana sokatra miisa 130 tany Maorisy ny alatsinainy teo, ka nahitana porofo mivaingana fa misy firaisana tsikombakomba amin’ny fanondrana antsokosoko eny Ivato no nandraisan’ny fadin-tseranana ity fepetra ity.
“Tsy nampoizina ny zava-niseho. Fiara nahazo alalana ny ho eny amin’ny “tarmac” no hita nitondra ireo sokatra ary napetraka teo ambony sarety ary naiditra tao anaty fiaramanidina. Efa hita avokoa ireo olona nanatanteraka izany ary misokatra ny fanadihadiana rehetra”, hoy ny fanazavan’ny Talen’ny raharaha araka ny lalàna sy ny ady amin’ny hosoka eo anivon’ny fadin-tseranana, Rakotonindraina Frédéric.
“Hatramin’izay, voalaza fa eo amin’ny fisavana ara-dalàna, mandalo “scanner” sy fisavana no heverina fa hisian’ny tsikombakomba, izao voaporofo amin’izay fa any ivelany ny miasa ireo olon-dratsy. Tsy mbola nisy tahaka ity hatramin’izay”, hoy ny fanazavana. Fiara efa manao ny asany matetika ity hita ity, azo heverina ny zavatra mety efa vitany.
Mandeha ny fanadihadiana ireo. Mazava ho azy fa tsy tongatonga ho azy teny an-toerana io fiara io, fa nisy ny firaisana tsikombakomba. Efa nisy ny anarana tompon’andraikitra ambony heno tamin’ny raharaha ity, saingy miandry ny fanadihadiana vao ho fantatra ny tena marina. Efa fantatra ihany koa ny mpandray ny entana tany Maorisy, izay saika halefa any Kuala Lumpur.
Tompon’andraikitra ny rehetra
“Tsy mora ny asa fa efa tambajotra io resaka fanondranana an-tsokosoko io. Tompon’andraikitra ny rehetra, ny minisitera misahana ny Fiarovana ny biby arovana, ny mpitandro filaminana, ny eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato sns”, hoy ny Receveur de Douane, Rakotoarimalala Haja. Mazava ho azy fa mpandray anjara amin’ny fahatongavan’ireo entana ireo hatrany ivelany ireo voatonontonona ireo. Tsy mahagaga raha misy ny olom-panjakana ambony voatonontonona amin’ny raharaha tahaka izao.
Milaza fa handray fepetra amin’ny fisavana ny fadin-tseranana ary tsy hanavahana na iza na izany izany, indrindra rehefa misy ny mampiahiahy. “Mibanaka avokoa ny manodidina ny seranam-piaramanidina Ivato rehetra, mila andraisana fepetra izany”, hoy ny fanamafisana. Andrasana araka izany ny fepetra raisin’ireto mpiasan’ny fadin-tseranana. Sahy hamaky ady amin’ireo tompon’andraikim-panjakana mpanao afera maloto tokoa ve? Ny mpitondra izay efa malaza ratsy amin’ny raharaha ratsy eto amin’ny tanàna. Ny valin’ny fandihadiana, sns.
Yves S.