Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Voavaly ny ampahany amin’ny fitakiana… : hampitsahatra ny fitokonana ny sendikan’ny mpampianatra

$
0
0
FRAM 100516

Taorian’ny fitokonana fanairana, nataon’ny mpikambana amin’ny plateforme ivondronan’ny fikambanan’ny mpampianatra sy ny mpanolotsaim-pampianarana, nanambara izy ireo fa hatsahatra ny fitokonana ary hatsangana ny comité Ad’Hoc, hamaha miaraka ny olana. Iarahan’ny solontenan’ny sendikà 13 sy ny sampandraharaha efatra ao amin’ny minisitera ny komity. Tafiditra ao ny talen’ny kabinetra, ny DGEFA, DRH, DEF. Hiaraka hanapaka ny fotoana hamaliana ny fitakiana tsirairay ny roa tonta, satria misy ny tsy miankina mivantana amin’ny minisitera fa mifandray amin’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny minisiteran’ny Asam-panjakana, hoy ny filohan’ny fikambanana Sempama Ny Nosy, Ratolojanahary Arsène, omaly hariva.

Nanomboka, omaly hariva ny fivorian’ny mpikambana hanafainganana ny fitadiavam-bahaolana. Fanambarana niarahan’ny mpikambana 13 amin’ny plateforme io, ka izay mbola minia manao fitokonana dia tsy ao anatin’ny plateforme ary zavatra hafa mihitsy ny tanjony fa tsy ny tombontsoan’ny mpampianatra, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny fanabeazana fototra ao amin’ny minisitera, Andriamampandry Todisoa.

Efa nisy voavaly ny ampahany amin’ny fitakiana, eo an-dalam-pandoavana azy ny vacation sy ny subvention ary efa vita ny momba ny nomination sur titre ho an’ny olona manana ny mari-pahaizana « capen ». Ho an’ny lohahevitra telo hafa, iarahana ny fitadiavam-bahaolana.

Mbola nanamafy ny minisitra Rabary Paul, fa afaka manao fitakiana sendikaly ny mpampianatra fa heverina fa tsy hanohintohina ny fizotry ny fanadinana samihafa izany.

Na nanao sonia aza, maningana ny Aneffa

Etsy andaniny, nilaza ny mbola hanohy ny fitokonana fitakiana ny filohan’ny fikambanana Aneffa, Randrianjafy Elidio, satria tsy mankasitraka ny fananganana ny comité Ad’hoc ny tenany. Hanentana ny mpampianatra eny amin’ny EPP sy ny CEG manaiky ny faritra Anosy aloha izy ireo anio, hanoina ny hetsika. Tsy tokony ho ny mpampianatra indray no hitady ny vahaolana amin’ny fitakiana fa ny minisitera no andrasana hamaha ny fangatahana rehetra. Na nisy solontenan’ny Aneffa nanao sonia ny fanambarana iarahana aza omaly, tsy mamatotra ny mpikambana ao amin’ny Aneffa rehetra izany fa ny tenany manokana, hoy ny fanazavany.

Misafotofoto be ihany ny toe-draharaha momba ity fitokonana izay nanomboka omaly ity, satria mizarazara hevitra ny mpikambana amin’ny plateforme. Anisan’ny nanoina ny antson’ny mpitarika ny fitokonana ny mpampianatra sasany tao amin’ny Lycée moderne Ampefiloha, omaly.

Vonjy A.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>