Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay mpamily : ankizivavikely maty nofaohan’ny fiara 4×4

$
0
0
TARATRA

Maty tsy tra-drano ilay ankizivavikely 11 taona, nofahoan’ny’ny fiara 4×4 iray, teny Ambohimangakely, omaly maraina. Tezitra ny olona ka nikasa hanao fitsaram-bahoaka ireo olona tao anatin’ilay fiara nahavanon-doza…

 

Nihosin-dra indray ny RN 2 mihazo an’i Toamasina noho ity lozam-piarakodia nitranga teny Ambohimangakely ity izay nahafatesana ankizivavikely 11 taona, omaly maraina. Teo akaikin’ny toeram-pivarotan-tsolika Jovenna mialoha ny hidirana an’Ambohimalaza no nitrangan’ity loza mahatsiravina ity. Niaraka tamin’ny renibeny ilay ankizivavikely niharam-boina ka teo am-piampitana ny arabe izy rehefa avy niala taxi-be no notrongisin’ilay fiara avy aoriana. Voalaza fa somary niahotra teo afovoan’ny arabe izy ka sady tsy afa-nandroso no tsy afa-nihemotra intsony ka nohitsian’ilay fiara 4×4 izay hihazo ny lalana mankany Toamasina. “Nandeha mafy ilay fiara 4×4 ary nanitsy azy mianaka niampita arabe. Lasa aloha fa taraiky taty aoriana kosa ny renibeny ka notrongisin’ilay fiara ilay ankizivavikely”, hoy ny fitantaran-dRanivoarisoa Bakoly mpandeha taxi-be nahita ny fitrangan’ny loza. Voalaza fa nipitika lavitra mihitsy ilay niharam-boina ka nifatratra tamin’ny arabe ny lohany. Vokany, maty tsy tra-drano ilay ankizivavikely, nandriaka eran’ny arabe ny ra.

Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka…

Nohamafisin’ireo olona nahita ny fitrangan’ny loza fa saika hitsoaka ilay fiara, saingy voasakan’ireo zandary mpiambina ny toeram-pivarotana solika Jovenna Ambohimangakely. Nalain’ny zandary avy hatrany izy ireo mba hisorohana ny ain’ireo olona tao anaty fiara, araka ny fanazavan’ireo zandary. “Tsy nikasa hitsoaka velively izy ireo satria efa nosamborinay ary efa voatazona ao amin’ny biraon’ny zandary hanaovana fanadihadiana manokana momba ity loza ity”, hoy ny fanazavan’ny zandary iray miasa ao Ambohimalaza. Nisy nahatsikaritra ireo olona sasany izay nijoro vavolombelona tamin’ity loza mahatsiravina ity fa tompon’andraiki-panjakana ambony no tompon’ilay fiara. Tsy mbola nanamafy ny fahamarinan’izany kosa ny zandary satria mbola ao anatin’ny fanadihadiana.

Fa nentin-katezerana ireo olona nahita ny loza teny an-toerana ary vory lanona vetivety ary nikasa hanao fitsaram-bahoaka ireo olona tao anatin’ilay fiara namoa-doza. Soa ihany fa nisy ireo zandary niaro azy ireo.

Fantatra fa vao matin’ny lozam-pifamoivoizana vao haingana koa ny ray aman-drenin’ity ankizivavikely ity. Efa natolotra ny fianakaviany kosa ny razana. Mitohy ny famotorana ataon’ny zandary.

J.C


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>