Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Andranofeno Atsimo : lasa tanàna feno fotodrafitrasa ho an’ny mponina vonona hioitra

$
0
0
ANDRANOFENO

Nanomboka tamin’ity volana avrtily ity, mipetraka amin’ny trano biriky voarafitra tsara avokoa ireo fianakaviana 107 vonona ny hanorim-ponenana, eny Andranofeno Atsimo. Tsy misy mipetraka amin’ny tranolay intsony eny an-toerana.

Voaaro amin’ny hatsiaka sy ny orana ireo fianakaviana ireo ankehitriny. Misitraka tsara ny fiainam-pianakaviana ihany koa ary lavitry ny trano solefanina toy ny niainany tety an-tanàna-dehibe.

Ankoatra ny trano fonenana, manana tany 200m2 isam-pianakaviana ihany koa ny mponina eny hahafahana mamboly sy miompy. Efa misy mahavokatra ny fianakaviana sasany ary mivarotra ny vokatra amin’ireo tanàna manodidina. Misy ihany koa ny toerana mirefy 21 ha hahafahan’ny daholobe mamboly vary.

Efa herintaona ireo mponina no nifindra teny. Fianakaviana rava trano vokatry ny fiakaran’ny rano tamin’ny taon-dasa avokoa izy ireo. Nanapa-kevitra ny hanorina fiainana vaovao ary hioitra amin’ny fiainana. Afaka tamin’ny fiainan’ny katrami tety Antananarivo.

Efa miorina ny sekoly eny Andranofeno ianaran’ny ankizy. Vao nasiam-panavaozana ny toeram-pianarana. Misitraka ny rano fisotro madio ihany koa ny mponina hananany fahasalamana sy hery enti-mamokatra.

Ankoatra izany ny foibem-piofanana hanamafisana traikefa sy hanovozana zava-baovao hanatsarana ny fivelomana hisian’ny fahaleovantena tanteraka. Arifomba ny toeram-pitsaboana izay anarahana akaiky ny fahasalaman’ny mponina.

Misy ihany koa ny tsena ao an-tanànan’Andranofeno Atsimo hahafahan’ny mponina mivarotra ny vokatra.

Araka ny fantatra, ho tapitra amin’ity faran’ity volana ity ny asatanamaro izay niantohan’ny Pam ho an’ny mponina eny. Mikasa ny hanorina tanàna vaovao toy ity eny Ankarefo ihany koa ny minisiteran’ny Mponina.

Tatiana A


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>