Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Vokatry ny fahatapahan’ny lalandrà : maty avokoa ny 35%-n’ny olona miditra hopitaly

$
0
0
lalandra

 Aretina voalohany mitarika amin’ny fahafatesana eny amin’ny hopitaly ny fahatapahan’ny lalandrà. Ho an’ireo lasa malemy ila vokatry ny fiakaran’ny tosidra, ilaina ny fanarenana ara-batana. Asa izay sahanin’ny AMPR Mada miaraka amin’ny mpitsabo 19.    

Haompana amin’ny olona tratran’ny fahatapahan’ny lalandra ny lohahevitra amin’ny fihaonambe ataon’ny association de médecine physique et de réadaptation de Madagascar (AMPR Mada) any Toamasina. Fivoriana atao isaky ny roa taona izao, hanomboka ny alatsinainy ary haharitra herinandro ka iandrasana vahiny avy any ivelany maro. « Nosafidiana manokana ny fahatapahan’ny lalandra mitarika fahalemena amin’ny ilam-batana matetika, satria 35% amin’ny olona miditra hopitaly vokatry ny fahatapahan’ny lalandrà maty avokoa », hoy ny fanazavan’ny filohan’ny association, Andrianabela Sonia, omaly teny Ambohitsorohitra. Olona iray amin’ny telo anefa eto amintsika manana olana amin’ny tosidra miakatra avokoa, araka ny fanadihadiana natao. Mila fanarenana ny ilam-batana malemy ary seha-pitsaboana maro no mifarimbona vao mahomby. Fanarenana ny fitenenana, ny fifehezana ny famoahana ny maloto, fikarakarana ny fikorontanan-tsaina mahazo ilay marary… ka tokony hampiofana olona ny fanjakana hisahana ireo. Efa nisokatra eny amin’ny fianarana ho mpitsabo eny Ankatso ny misahana ny « ergothérapie » momba ny fanetsehana ny vatana.

Nandritra ny taona 2014, nahatratra 900 ny olona nalemy ila, teny amin’ny tobim-pahasalamana. Ny taon-dasa kosa, 4 000 ny isan’ny olona nalemy ila nanatona ny CSB izay tsy mahafehy loatra ny tokony hatao manoloana ny tranga. 19 ny mpitsabo mifarimbona amin’ny fanarenana ara-batana ny olona mety ho tratran’ny fahasembanana. Afaka manatona ny sampana rééducation fonctionnelle eny amin’ny HJRA, eto Antananarivo, Antsirabe, Fianarantsoa sy amin’ny renivohi-paritany izay manana olana mifandraika amin’izay.

Olana hitan’ny mpitsabo matetika, ka raisina an-tanana ny zaza manana olana teo am-piterahana ka sahirana amin’ny fihetsehana. Eo koa ny ankizy mivadika tongotra na manana « pied bot », ny zaza sempotra, ny olona marary lamosina…

 

Hotiliana maimaimpoana ny olona manana tosidra miakatra

Hatokana ho an’ny fitiliana ny olona manana tosidra miakatra ny andro voalohany any Toamasina. Hanentana ny vahoaka hisoroka ny fiakaran’ny tosidra ny dokotera, satria miha tanora hatrany ny olona itrangan’izany ankehitriny. Ireo efa mihinana fanafody koa, tsy azo ajanona mihitsy izany mandra-pahafaty. Hizara fahalalana sy ny vokatry ny asan’ny mpitsabo mpikambana ny ampitso, izay hitohy amin’ny fampiofanana ireo rehetra liana momba ny fandraisana an-tanana ny olona isehoan’ny tosidra miakatra.

Nanao tolo-tanana ny vadin’ny filoha

Nahazo tolo-tanana avy amin’ny vadin’ny filoham-pirenena, Rajaonarimampianina Voahangy ny fikambanana AMPR Mada, ho fanomanana ny fihaonambe sy hanampiana ny asa fitsaboana, omaly. Notolorana vola koa i Kotoniaina, izay mbola marary any amin’ny hopitaly vokatry ny homamiadana mahazo azy. Mpanao gazety sady mpanatontosa fandaharana manokana ny tenany. Nomena fanampiana ara-bola koa ny fikambanan’ny olona manana fahasembanana, hividianana kiraro manokana ho an’ireo mila izany. Nanamarika ny mpiara-miasa amin’ny vadin’ny filoha, fa mifanojo ny tanjona ho an’ireo notolorana ny fanampiana sy ny mpanome, samy hanampy ny mpiara-belona avokoa.

Vonjy A.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>