Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Mpivarotra sy mpifoka rongony : olona efatra naiditra am-ponja

$
0
0
Rongony

 Naiditra am-ponja afakomaly ireo olona efatra voarohirohy ho mpivarotra sy mpifoka rongony voasambotry ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Itaosy, ny asabotsy teo. Araka ny fanazavan’ny zandary, nahazo loharanom-baovao izy ireo momba ny fisiana tovolahy iray mivarotra rongony antsinjarany mivezivezy amin’iny faritra iny. Nanao ny fanamarinam-baovao avy hatrany ny zandary ka sarona ilay tovolahy. Rehefa nosavaina izy, fonosan-drongony miisa enina no tratra tany aminy. Nilaza kosa izy nandritra ny fakana am-bavany azy fa mpifoka ihany izy ary olona mpamongady iray ao Antohomadinika no mpamatsy azy. Nidina teny an-toerana indray ny zandary ary nanao ny fisavana ny tranon’ity farany, rongony efa maina iray gony milanja 30 kg no tratra tao aminy. Tratra ihany koa ny tovolahy roa mpanjifany.

J.C


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>