
Nidoboka avy hatrany ao amin’ny fonjaben’Ambalatavoahangy ao Toamasina ireo jiolahy roa tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana tao Soanierana Ivongo, ny volana marsa teo…
Ny alarobia 30 marsa 2016 teo no saron’ny polisy tao Soanierana Ivongo ny jiolahy roa (Lalaina Stéphan 35 taona sy Fabien Gaston 29 taona) tompon’antoka tamin’ny fanafihana tao Soanierana Ivongo. Araka ny fanazavan’ny polisy, nahitana basy P.A tany amin’ireto jiolahy ireto. “Telo lahy ireto jiolahy ireto ary nitondra basy P.A roa izay nihaodihaody ary nikasa handroba mpandraharaha iray tamin’io fotoana io”, hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny kaomisarian’ny polisy ao Soanierana Ivongo, ny Ofisie, Tsima Angelot Félix nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety. Nametraka ny vela-pandrika rehetra ahafahana misambotra ireto jiolahy ireto ny polisy rehefa nahazo ny loharanom-baovao rehetra. Tafaporitsaka kosa ny jiolahy iray raha azo sambo-belona ny roa niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana. Fantatra, araka ny loharanom-baovao hatrany fa isan’ny mampitombo ny asan-jiolahy rehefa ankatoky ny fahamasahan’ny vokatra lavanila any an-toerana. Ilaina hatrany araka izany ny fanamafisana ny fandriampahalemana. Nanamafy hatrany ny Ofisie Tsima fa jiolahy efa nokarohin’ny polisy hatry ny ela ireto jiolahy ireto. Mitohy kosa ny fikarohana ilay jiolahy tafaporitsaka nandritra ny fisamborana azy.
Sajo sy J.C