Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Antsirabe : nahazo Dvd ny CEG Ivohitra

$
0
0
antsirabe

 Notoloran’ny faritra Vakinankaratra Dvd ny CEG ao Ivohitra Antsirabe ny herinandro lasa teo, nandray ny fitaovana ny talen-tsekoly, Ranaivoarison Richard. “Tohin’ny fanolorana ireo ordinatera dimy avy amin’ny Principauté de Monaco izao hetsika izao”, hoy ny lehiben’ny faritra, Andrianjanaka Mandrindra Albert, niampy fahitalavitra vaovao iray avy amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.

Mifameno ny fisian’ny DVD sy ity farany ary tena ilaina amin’ny fomba fampianarana haingana sy maoderina, satria mora hahazoan’ny mpianatra ny fanazavana ny fampiasana azy miaraka. Nanolotra fisaorana feno ny mpanome ny talen-tsekoly izay ho fampandrosoana ny zaza malagasy.

Nomarihany fa na handeha hisotro ronono aza ny tenany atsy ho atsy, tsy maintsy hampahafantariny izay hisolo azy ny fisian’ireo fanomezana sarobidy rehetra ireo, mba hokajiana haharitra ho an’ny mpianatra mifandimby mandritry ny taona maro.

Jeannot Ratsimbazafy


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986


<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>