Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Vao teraka-enim-bolana : 47% ny tahan’ny reny mampinono

$
0
0
mampinono

47% monja ny tahan’ny fampinonoan-dreny tsy manampy zavatra amin’ny zaza vao teraka hatramin’ny fahenim-bolany, eto amintsika, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fanjarian-tsakafo, ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny dokotera Raveloarisoa Blandine, omaly teny Isotry. Raha ny tokony ho izy, tsy mampiditra sakafo hafa mihitsy ny reny fa ampy ho an’ny filan’ny zaza ny nonon-dreny hatramin’ny enim-bolana voalohany. Mila misakafo ara-pahasalamana fotsiny ilay reny mampinono isan’andro. Sakafo be protide toy ny hena, voamaina, trondro, miampy voankazo sy legioma ary ny vokatra azo avy amin’ny ronono no hanin’ny vehivavy mampinono mandritra ny tontolo andro. Ho an’ny reny miasa nefa mampinono, misy amin’ireo toeram-piasana ny manokana efitra handraisana ny fampinonoana mandritra ny tontolo andro ka afaka manao izany izy ireo. Tsy mbola tafiditra amin’ny lalàn’ny asa kosa anefa ny zon’ny vehivavy hampinono ny zaza any amin’ny toeram-piasana ho an’izay miasa.

Miaro ny ankizy madinika amin’ny aretina samihafa ny nonon-dreny sady miantoka ny fahasalamany hatramin’ny fahadimy taona. Nanao hetsika fanentanana ho an’ny mponina ao Ambodin’Isotry sy ny manodidina ny Action contre le faim (ACF) niaraka amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ary ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo, omaly teo amin’ny kianja Rafalimanana. Hafatra ny maha zava-dehibe ny nonon-dreny tsy misy fangarony ho sakafon’ny zaza vao teraka hatramin’ny fahenim-bolana.

51%-n’ny zaza latsaky ny 5 taona, misy fahatarana ao amin’ny fitomboana, araka ny fanadihadiana natao ny taona 2012-2013.

 

Ankizy sy vehivavy 551 noraisina an-tanana

Nanomboka ny taona 2012, nanokatra foibe eny Antohomadinika ny ACF hisorohana sy hitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika. Ny taona 2015, nahatratra 492 ny zaza enim-bolana ka hatramin’ny 59 volana niampy vehivavy mitondra vohoka sy mampinono 95 noraisina an-tanana.

Vonjy


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles