
Nentina nialana nenina teny amin’ny hopitaly ihany ity niharan-doza, kanefa tsy tana intsony ny ainy noho ny habetsahan’ny rà very taminy, ny alarobia maraina tokony ho tamin’ny 3 ora.
Mahazo vahana tokoa ny fitsaram-bahoaka amin’izao fotoana izao ary tsy voafehin’ny mpitandro filaminana mihitsy na misy hatrany aza ny fandraisan’andraikitra ataon’izy ireo. Tsy mifidy sarangan-keloka intsony ihany koa ny olona fa izay tratra ho nandika lalàn’ny fiarahamonina, hianjeran’ny hatezeran’izy ireo avy hatrany. Raim-pianakaviana iray manodidina ny 48 taona indray mantsy namoy ny ainy tany Manjakandriana, ny talata hariva teo. Tratran’ny fokonolona nangalatra ny tenany. Mateti-piseho ny trangana fahaverezana biby fiompy ao an-tanàna ary tokantrano maro efa lasibatra ka ity farany tra-tehaka tonga no niangonan’
ny rihitra. Nifandritahan’ny fokonolona ilay mpangalatra, samy naninjitra ny tanany taminy avokoa ny olon-drehetra ka nihoa-pampana ny ratra nahazo azy noho ny vono sy daroka nihatra taminy. Tonga teny an-toerana ny zandary raha vao nahazo ny fampandrenesana, saingy efa olona naratra be sy tsy nahatsiaro tena intsony ny novantanin’izy ireo teo an-tanàna.
Tiavina