Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Jirama  : mitohy hatrany ny fitokonana

$
0
0
JIRAMA

Nangina ny hetsik’ireo farimbon-tsendikalin’ny orinasa Jirama, omaly, saingy samy nanajanona ny asany avokoa ireo mpiasa. Roa volana izao ny nanaovan’izy ireo ny fitokonana noho ny tsy fankatoavana ilay fifanarahana mangina hanomezana an’ny Amerikanina ny fitantanana ny Jirama. Mihodinkodina fotsiny sy lany andro anefa ny mpiasa manao ny hetsika, ary tonga amin’ilay hoe «misy mihaino?».

Takin’izy ireo hiala amin’ ny toerany ny minisitry ny Angovo sy ireo ao amin’ny filankevi-pitantanana ny orinasa. Toheriny sy lavin’ny mpiasa tanteraka, hoy ny mpitondra tenin’ izy ireo, ny fanomezana ireo vahiny an’i Mandroseza sy Vohibe, izay misy ny milin’ny Jirama.

Manararaotra ny sasany

Nampitandrina ireto mpiasa ny amin’ny mety ho fanararaotan’ny sasany hisandoka satria nanidy birao avokoa ny Jirama, omaly. Miezaka manao tsipaipaika ihany ireto mpiasa ireto hanamboarana ny milina eny Mandroseza kanefa tsy ho ampy izany, araka ny nambaran’izy ireo.

Tsikaritr’ireo mponina mipetraka eny Mandroseza fa vao nanomboka ny delestazy, nampitebiteby ny tsy fandriampahalemana ary nisesisesy ny vono olona. Nilamina ary mandry anefa ny eny an-toerana, teo aloha.

Hajatiana R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986


<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>