Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Ho an’ny ankizy 15 000 : fanampin-tsakafo Plumpy Sup 100 t nalefa any atsimo

$
0
0
sakafo

 Taorian’ny fikaonandoham-pirenena nitadiavana vahaolana maharitra iadiana amin’ny hanoanana any atsimo, nandefa fanampin-tsakafo mitsabo Plumpy Sup ny foibem-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN). Hitsaboana ny ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika izany ho an’ny distrika tena ahitana ny tranga. Tafiditra amin’ny paikady hamaliana haingana ny olan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ny hetsika. 100 t ny lanjan’ny fanampin-tsakafo halefa miandalana ho an’ny any atsimo. Ahafahana mandray an-tanana ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika latsaky ny 5 taona miisa 15 000 ao Ambovombe, Bekily, Beloha ary Tsihombe. Hifarimbona amin’ny fizarana ny Plumpy Sup ny mpiandraikitra ao anatin’ny fandaharanasa ho an’ny fanjarian-tsakafo eny ifotony (UPNNC Seecaline) misandrahaka amin’ny fokontany maro. « Tokony horaisina an-tanana haingana ny tsy fanjarian-tsakafo miseho amin’ny ankizy madinika sy ny vehivavy mitondra vohoka tsy hitarika amin’ny fahafatesana », hoy ny teknisianina ao amin’ny ONN.

Miara-miasa manatanteraka ny asa ny ONN sy ny orinasa JB satria vokarina eto an-toerana amin’ny alalan’ny Tanjaka Food ny Plumpy Sup. Ahitana menaka betsaka proteina, gliosida, vitamina sy singa mpamelona maro ity fanampin-tsakafo mitsabo ity hanampiana ny sakafon’ny zaza.

Vonjy


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>