
Hankalazaina mandritra ity taona 2016 (28 febroary – 6 novambra) ity ny fiaraha-miasa eo amin’ny Mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy mianakavy sy ny fiangonana FJKM Andrainarivo Fahasoavana. Fanokafana izany ny fanompoam-pivavahana lehibe hiantsoana ireo efa niara-niasa tamin’ny mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy.
Hankalaza izany koa ny sampana tsirairay misy eo anivon’ny fiangonana. Izy rahateo no filoham-boninahitry ny sampana rehetra. « Hisy, noho izany, ny « rakibolafotsy » izay hatambatra ho tsangambato hatolotra ny raiamandreny Mpitandrina », hoy ny filohan’ny komitin’ny jobily. Ny alatsinain’ny Paska, fitsangantsanganana hiarahan’ny zanaka am-pielezana sy ny fiangonana. Ny alatsinain’ny Pantekosta, « journée récréative » ao am-piangonana ihany. 7 aogositra, sakafo lehibe ; 5 novambra, fanompoam-pivavahana hiarahana amin’ny synodam-paritany Antananarivo Atsinanana, ny 6 novambra hiarahana amin’ny zanaka ampielezana. Anisan’ny nisongadina tao anatin’izay 25 taona izay ny nahavitana ny fiangonana ankehitriny izay anisan’ny lehibe indrindra eo amin’ny sahan’ny FJKM. Teo koa ny tafika masina nanaovana fiangonana, toy ny tany Ankaramena sy Vohiparara izay efa eo an-dalam-pahavitana.
HaRy Razafindrakoto