
Tsy misy raharaha mandeha amin’ny tokony ho izy ny fitantanan-draharaha eo anivon’ny kaominina Toamasina, tonga amin’ny fitenin-jatovo manao hoe : « samy maka ho azy ». Vokany, tsy misy manala ny fako manerana ny tanana, tsena. Tsy dongon-tany fisarahan-dalana na manondro lalana tokony haleha » ilôt séparateur na directionnelle« , tahaka ny amin’ny lalànan’ny fifamoivoizana, akory io hitantsika amin’ny sary io fa fako mivangongo tsy misy manala ka izao lasa manaratsy endrika ny lalanavao nasiam-panamboarana izao.
Raha ny fanadihadiana natao teny anivon’ny sampandraharaha samihafa eo anivon’ny kaominina, samy mandrangotra vola amin’ny asa tantanany ny rehetra, ny mpiandrakitra ny tsena, mampiasa tapakila hosoka, ny BMH mandrahona amin’ny fanasaziana izay tandrify azy ka maka hatramin’ny 60.000 Ar. Ny eo amin’ny sora-piankohonana mitaky 5.000 Ar vao mahavita izay ilainy ny mpanjifa, ny mpanala fako manodina ny solika ho lelavola.
Raha nanontaniana ny antony ireo voakasik’izany, namaly fa noho ny tsy fandraisana karama efa ho telo volana. Tsy maintsy misakafo anefa ny vady aman-janaka, eo koa sy hofan-trano mila, ny saran’ny Jirama. « Raha mivoaka eo ny vola, lanin’ny trosan’ olona avokoa ny karama iray volana « , hoy ny mpiasa iray nijoro ho vavolombelona.
Sajo