Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Ara-pinoana : “Asan’ny satana, asan-devoly ny ambalavelona”

$
0
0
mpianatra

Asan’ny maizina ny ambalavelona raha ny lafiny ara-pioana sy ny ara-pivavahana no ijerena azy”, hoy ny pasitera iray ao amin’ny FJKM, nisafidy manokana ny tsy hotononina. Satanika hoy ny filaza azy teo aloha ary demoniaka hoy ny filazan’ny Baiboly. Ireo dadarabe sy mpimasy na ireo mpitaiza no tena mikotrika ity asan’ny maizina ity ary manana ny foibeny  ka miezaka manaparitaka izany.

Tafiditra ao anatin’ny fanehoan-kery ihany koa ny ambalavelona. Fanapotehana olona sy valifaty matetika no tena hampiasana azy. Eo koa ny ody fitia izay mandiso fanantenana ny tovolahy izay mampiasa izany.

Azo avy amin’ny karazan-tsehatra maro ny ambalavelona ary mivoatra manaraka ny toetrandro ny fomba hahazoana azy. Tany aloha, tamin’ny alalan’ny sary, singam-bolo, dian-tongotra no handefasan’ny mpisikidy ny fanahy ratsy ho tafiditra amin’ilay olona . Nivoatra izany ka lasa azo avy amin’ny alalan’ny teknolojia ihany koa ity ambalavelona ity ankehitriny raha ny filazan’ity pasitera ity hatrany.

Miasa ary miady varotra ny mba hahazo miaramila betsaka ny satana. Mitady ny fomba rehetra hahazoana mpikambana betsaka ireo satanika. Mampiasa “facebook”,  “twitter”, hafatra amin’ny finday sy ny teknolojia ironan’ny tanora ankehitriny izy ireo hahazoana izany namana betsaka izany

Namany sy babony rehefa manaiky ny zavatra alefan’ireny satanika ireny amin’ny “facebook” na mankafy ny zavatra alefany sy haparitany.

Tsy tokony ho gaga araka izany ny rehetra fa efa betsaka ny tanora latsaka ao anatin’ny vondron’ny satanika ka iharan’ny ambalavelona amin’ny alalan’ny teknolojia moderina”, hoy hatrany ity pasitera ity.

Mila miambina mandrakariva

Sitran’ny vavaka ny ambalavelona. Fitolomana am-bava ihany no tena fanafody rah any filazan’ny pasitera. Tsy aretina vaovao fa efa nisy hatramin’izay ny ambalavelona ary tsy mahataitra ny fiangonana mihitsy izany. Efa manana ny toby fitsaboana manokana ireny ny FJKM. Tsy mivavabavaka fa mila miorina tsara amin’ny finoana vao maharesy ny ambalavelona. Miandraikitra ny fitsaboana ny ambalavelona ireo mpiandry manao asa fifohazana.

Fitsapana ho an’ireo olona voany ihany koa ny ambalavelona.  Fizahan-toetra  na fisedrana no ilazana azy amin’ny finoana kristianina. Betsaka ireo efa sitrana. Arakaraky ny halalim-pakan’ilay satana ao anatin’ny fanahin’ilay olona no mahaela na mahahaingana ny fitsaboana. Miala tsikelikely ny fanahy ratsy ka ny matanjaka indrindra no miala farany ary izay vao azo lazaina ho sitrana ilay olona. Miankina tanteraka amin’ny hamafin’ny finoan’ilay olona tsaboina ihany koa anefa izany.

Tatiana A

Tsy nety nanambara ny heviny ny mpahay ny fomba malagasy

 Niezaka nanatona ny olona mpahalala sy mpahay ny fomba amam-panao malagasy izahay naka ny heviny manodidina ny tranga ambalavelona, omaly. Nisafidy ny tsy haneho hevitra izy ireo satria lohahevitra saropady mila fitandremana izany.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>