
Ny asabotsy hifoha alahady teo, notafihin’ny jiolahy mahatratra 6 ny trano fonenan’i Dadafara Hiragasy (Dadafara Lt Production) etsy Ambodin’Isotry. « Namaky ny varavarana sy nanao amboletra ny telo, fa ny telo hafa niambina ny fokonolona mba tsy ho afaka hamonjy anay », hoy i Dadafara. Tsy maintsy nanohitra ireo jiolahy teo am-baravarana ity mpikarakara momba ny hiragasy ity. Potika ny varavarana, izy naratra vokatry ny fifandonana. « Soa ihany fa afaka namonjy ny fokonolona ka vaky nandositra ireo jiolahy », hoy Ramilison (Dadafara Hiragasy).
« Tsy misy andrimasom-pokonolona ity toerana ity… Manao fisafoana ety ny mpitandro filaminana, saingy rehefa lasa izy ireny, miverina manao ny asa ratsiny ihany ny mpanendaka », hoy hatrany i Dadafara, omaly. Nambarany fa raha eto an-dRenivohitra, anisan’ny faritra mena i Ambodin’Isotry. Noho izany, « mangataka ny hisian’ny paositry ny polisy ny mponina ety satria tsy ampy intsony ny fisafoana. Ao anatin’ny 1 volana, telo ny vaky trano. Saika ho isan’andro ny fanendahana, fifohana rongony, sns », hoy izy.
Amin’ny maha mpikirakira sy mpamokatra eo amin’ny tontolon’ny zava-kanto azy indray no nanaovany antso avo ny amin’ny tokony hanamafisana hatrany io fandriampahalemana io satria voantohintohina amin’ny zavatra tahaka izao ny fivelaran’ny zava-kanto malagasy. « Ny mpanakanto giazan’ny piraty, izahay mpamokatra sy mpikirakira ny zava-kanto, tafihin’ny jiolahy. Inona ny fivoarana handrandraina amin’ny zava-kanto malagasy amin’ny zavatra tahaka izany ? », hoy Dadafara.
H.R.