Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Sekoly FJKM Tsitohaina : namatsy ny mpianatra 320 Rtoa Andriantsitohaina Ginette

$
0
0
????????????????????????????????????

 Mitsinjo hatrany ny mpianatra ao amin’ny FJKM Tsitohaina Rtoa Andriantsitohaina Ginette sy ny vadiny. Faly ny mpianatra nitondra sakafo sy kilalao.

Nahatsiaro ireo mpianatra ao amin’ny sekoly FJKM Tsitohaina Ambohijanahary Antehiroka ny malala-tanana, Andriantsitohaina Ginette, omaly. Mahatsapa ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’ny fampianaran-janaka izy ka nitondra vatsy ho an’ny kilongan’ny sekoly. Vary hatao sakafo atoandro, biskoy sy vatomamy ary kilalao no nentiny tamin’izany.

Mahatratra 320 ireo mpianatra ao amin’ny sekoly FJKM Tsitohaina. Manodidina ny 100 ireo misakafo antoandro ao an-toerana. Mitondra vary tapa-kapoaka sy vola 400 Ar ny mpianatra tsirairay izay miantoka ny antoandro any an-tsekoly.

Zanaky ny fianakaviana sahirana ny ankamaroan’ireo mpianatra. Mpiasan’ny orinasa afakaba eny amin’ny manodidina sy mpivarotra tsotsotra ny ankamaroan’izy ireo.”Sahirana ny ray aman-dreny kanefa tsy mikely soroka noho ny fitiavan-janaka ka rariny loatra raha mendrika ny hotohanana toy izao”, hoy i Nenitoa Ginette, nampahery ny mpianatra hiezaka amin’ny fianarana.

Matetika ny famatsian’ireto malala-tanana ireto ny sekoly FJKM Tsitohaina. Ankoatra ny famatsiana ara-tsakafo, misy hatrany koa ny famatsiana fitaovam-pianarana rehefa fiandoahan’ny taom-pianarana. Ankoatra izany ny fizarana kilalao rehefa ankatoky ny fetin’ny Krismasy sy faran’ny taona.

Manan-jara ireto mpianatra ireto manana ny mpanohana, Andriantsitohaina Ginette mivady. Nisaotra azy ireo mpampianatra sy ny talen-tsekoly ary ny mpianatra tamin’izao hetsika fanolorana sakafo sy kilalao izao.

 

Nihena ny mpianatra

320 ireo mpianatra ao amin’ny FJKM Tsitohaina Ambohijanahary Antehiroka. Nidina io isa io raha ny filazan’ny talen-tsekoly, Rahaingoarimalala Lucile. Antony mahatonga io fihenan’ny mpianatra io ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny.

8.000 Ar isam-bolana isaky ny mpianatra ny fandraisan’anjaran’ny ray aman-dreny kanefa mavesatra amin’izy ireo izany amin’izao fiainana sarotra izao. Nafindran’ny ray aman-dreniny any amin’ny EPP ny zanany  satria tsy mandoa saram-pianarana ny any.

Manodidina ny 3 ka hatramin’ny 12 ireo mpianatra ao amin’ny kilasy garabola hatramin’ny 7 ème. Sivy kosa ireo mpampianatra miandraikitra ny fampianarana. Ankoatra izay ireo mpandraharaha ny sekoly.

Tatiana A


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986


<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>