Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Ny zanany sy ny vinantony ihany no nahavanon-doza… : maty novelesina hazobe izy mivady ray aman-dreniny

$
0
0
TARATRA

Olam-pianakaviana, noho ny resa-pasana sy vola, niafara tamin’ny vonoan’olona ity nitranga, teny Fierenana, Anjozorobe, herinandro vitsivitsy lasa izay. Ny zazany roalahy sy ny vinantony ihany no nahavanon-doza namono nahafaty azy mivady lehibe ray aman-dreniny.

Resa-pasana sy vola 10 tapitrisa Ar nahavitan’ireto olona telo namono ny ray aman-dreny be, loharano nahitana masoandro. Tany Fierenana Anjozorobe nitrangan’ity toe-javatra mampalahelo ity ny 10 hifoha 11 febroary lasa teo. Mpivady lehibe, 88 sy 78 taona no maty nisy namono tao an-tranony tamin’io fotoana io. Novelesina tamin’ny hazobe ny lohan’izy mivady ary maty tsy tra-drano. Tsy fantatra izay nahavanon-doza tamin’izany, ary very tao amin’izy mivady ny vola 10 tapitrisa Ar.

Efa ny faran’ny herinandro teo vao fantatra sy niaiky ny heloka nataony ireo nahavanon-doza, izay tsy iza fa ny zanaka naterak’ireo mivady ihany sy ny vinantony iray. Araka ny fanazavana avy amin’ny komandan’ny Imerina afovoany, Rakotondravony Emma, rehefa nanao ny famotorana niahiahy ny zanany lahy iray, monina any Fierenana ihany ny zandary. Ny manodidina no niahiahy voalohany rehefa nahita fa toy ny tsy niraika ilay zanany lahy mipetraka miray vodi-rindrina amin’izy mivady. Nosamborina izy io, ary rehefa natao ny fisavana sy ny famotorana azy, nahitana vola 1.100.000 Ar tany aminy. Nitohy ihany ny fanadihadiana ka nosamborina teny Itaosy ny faran’ny herinandro teo ny zanaka lahin’ny maty iray hafa. Hita tany aminy ny vola 4.700.000 Ar. Niaiky ny heloka nataony ireo ary mbola nanondro ny vinanton’izy mivady ihany koa tamin’izao asa ratsy izao. Samy efa voasambotra avokoa ireo olona telo ireo ary natolotra ny fampanoavana, omaly. Naiditra am-ponja avokoa izy telo ireo.

Olana teo amin’ny fianakaviana?

Nilaza ry zareo avy amin’ny zandarimaria fa tsy mbola fantatra mazava na noho ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny samy fianakaviana no anton’ity asa ratsy ity. Efa vonona ny volabe hanaovana ny fasana, ka izay no notsiriritin’izy telo lahy. Ahiana ho mpiray tsikombakomba ihany koa ny tompon-tranon’ilay zanakalahin’izy mivady monina eny Itaosy, hoy ny zandary.

Toe-javatra tsy fahita firy raha ny famonoana ray aman-dreny tahaka izao, raha eto amintsika, raha tsy efa zava-dehibe tahaka ny fitsiriritana tahaka izao. Tsy nampoizin’ny fianakaviana ny zava-bitan’ireto telo lahy, ary tezitra ihany izy ireo nahafantatra ny marina avy amin’ny zandary. “Tsy nampoizina, tsy nahatsikaritra olana talohan’izao”, hoy ny fanazavana. Miandry ny fotoam-pitsarana azy any am-ponja izy telo lahy aloha.

Yves S.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986


<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>