
Ny ampitson’ny fanafihana nataon’izy ireo sady nandratrany polisy iray tamin’ny tifitra, nanaovan’ny polisy bemidina teny Itaosy ireo jiolahy heverina ho tompon’antoka tamin’izany. Nisy loharanom-baovao voarain’ny polisy mantsy fa eny Ambohimarina Itaosy ireo jiolahy no mipetraka. Nidina teny an-toerana ny polisin’ny Sag sy ny BC omaly vao maraina. Nitifitra avy hatrany ireo jiolahy vao nahita ny polisy. Namaly koa ireto farany ka tavela tamin’izany ny jiolahy iray. Ny iray kosa azo sambo-belona.
Mparany