
Hajoro isam-paritra ireo rantsamangaikan’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary (BNGRC). Hisorohana sy hanenana ny fahasimbana ateraky ny rivo-doza no tanjona amin’ity hetsika dieny ety am-boalohany ity.
Saika nanafotra an’i Madagasikara iray manontolo ny fandravan’ny rivo-doza izay nandalo nisesy tamin’ny fotoam-pahavaratra lasa teo. Analiny ireo tra-boina ka niady mafy ny tao amin’ny BNGRC tamin’ny fanavotana isam-paritra. Nananosarotra ny lafiny ara-bola ka voatery nampiasa ampahany lehibe 90%-n’ny volam-panjakana izy ireo, ankoatra ireo fanampian’ny malala-tanana. Mba hialana amin’izany indrindra no anton’izao fametrahana alohan’ny fotoana ny birao rehetra manerana ny faritra izao, araka ny fanazavan’i Charles Rambolarison tompon’andraikitra ao amin’ny BNGRC.
Hatao mialoha avokoa ireo karazam-panentanana momba ny loza voajanahary, raha vao migadona fotsiny ny fahavaratra amin’ity. Hatreto, mbola tsy fantatra daholo amin’ny antsipirihany ireo rivo-doza mety handindona eto Madagasikara. Na izany aza, aleo misoroka toy izay mitsabo, araka ny fomba fiteny Malagasy.
Hajatiana R.