![ÿÿ]()
Niakatra teo anivon’ny fampanoavana, tao amin’ny rafi-pitsarana miady amin’ny kolikoly (chaîne pénale anti-corruption), etsy 67 ha, omaly, ny tale lefitra iray ao amin’ny Jirama. «Fananan-karena tampoka tsy mazava (enrichissement illicite), famotsiam-bola ». Ireo no iampangana sy anenjehana ity tompon’andraikitra ity.
Voarohirohy eny amin’ny fitsarana ny lefitry ny tale jeneraly mitantana ny herinaratra ao amin’ny Jirama. Araka ny fanadihadiana nataon’ny tonian’ny gazety, nandefa ny antonta-taratasy teny amin’ity fitsarana ity ny Bianco, taorian’ny nahitan’izy ireo fa nisy ny « fanangonan-karena tsy mazava sy famotsiam-bola » nataon’ity tale lefitra ity, fony izy mbola talen’ny famokarana herinaratra tao amin’ny Jirama. Taorian’izay, niakatra teny amin’ny rafi-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Chaîne pénale) izy, omaly zoma, saingy tsy fantatra ny tohiny.
Ankoatra ity mahakasika ny tale lefitry ny herinaratra ny Jirama ity, maro koa ny tompon’andraikitra ambony tao amin’ny fanjakana sy ny Jirama teo aloha, voarohirohy amin’ny kolikoly, fanodinkodinam-bola, famotsiam-bola tao.
Vola tsy toko tsy forohina ny very sy tsy mazava, manodidina ny 30 miliara Ar. Anisan’ny nahatonga io raharaha io ny fitantanana vola tsy mazava tamin’ny lafiny fitaterana gropy.
Saingy tsy nisy ny fepetra, na iray aza, noraisina mikasika azy ireo, satria tsy notanana am-ponja vonjimaika avokoa. Raha ny lalàna, sokajina ho heloka bevava ny fanodinkodinam-bolam-panjakana, ary tsy omena fahafahana vonjimaika ny voarohirohy raha misy ny porofo mazava avy any amin’ny mpanome antontan-taratasy.
« Raharaha andramena »
Raha ny antontan-taratasy eny am-pelatanan’ny Bianco, ananan’izy ireo porofo, raharaha hafa ankoatra ity fanodinkodinam-bola, fahazoana harena tsy mazava, famotsiam-bola, ity koa ny fanondranana andramena an-tsokosoko any ivelany. Nanamafy ny tale jeneralin’ny Bianco fa manana porofo izy ireo matoa nampiakatra ny raharaha any amin’ny « Chaîne pénale ». Maromaro ny tompon’antoka ambony voatonona, saingy olona iray, Bekasy ihany no naiditra am-ponja vonjimaika hatramin’izao. Niteraka savorovoro teny anivon’ny fiarahamonina indray aza izany, satria misy ny sokajin’olona milaza fa nahoana izy irery ihany no tratra, nefa misy olon-kafa sy tompon’andraikitra ambony koa voarohirohy ao?
Marihina fa niaiky koa ny sampandraharahan’ny famotsiam-bola fa tena misy io famotsiam-bola io amin’ny raharaha andramena, ary manao izany ny tambajotra matanjaka mafia iraisam- pirenena.
Mitazana ny vokatra ny iraisam-pirenena
Araka ny fanadihadian’ny Bianco ihany, efa fantatry ny tontolon’ny fitsarana ireo voalaza ireo, saingy mahavariana ny tsy handraisany fanapahan-kevitra, raha tena tiana ho hitan’ny eo imason’izao tontolo izao ny ezaka atao. Toy ny vondrona iraisam-pirenena, ny mpamatsy vola iraisam-pirenena, ny mpampiasa vola vahiny (IDE), mitaky vokatra azo tsapain-tanana ny ady amin’ny kolikoly ary indrindra, ny famaizana ny meloka sy hita porofo.
Randria
Hatramin’ny nanoratanay, tsy fantatra ny valin’ny raharaha teny amin’ny « Chaîne penale ». Izany hoe, tsy voamarina na nomena fahafahana ity tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Jirama ity, na notazonina am-ponja vonjimaika, toy ireo tompon’andraikitra hafa.
Cet article Fananan-karena tsy mazava, famotsiam-bola… : niakatra fitsarana omaly ny tale lefitra iray ao amin’ny Jirama est apparu en premier sur NewsMada.