Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Haintrano tetsy Amparibe : hotohoton’ny afo ny entana rehetra tao amin’ny foiben’ny Kiady

$
0
0
?????????????

 Levon’ny afo, omaly maraina, ny foiben’ny Kiadin’i Madagasikara eny Amparibe. Kila hotohoton’ny afo avokoa ny entana rehetra…

 

Nijoalajoala ny afo omaly maraina teny amin’ny foiben’ny Kiadin’i Madagasikara eny Amparibe. Lasa lavenona tao anatin’ny minitra vitsy ireo tahirim-boky mirakitra ny tantaran’ny fiainan’ny skoto eto Madagasikara. Olona teo amin’ny manodidina no nahita ny fiantombohan’ny firehetana. Nidona-tsetroka ny tao amin’ny rihana voalohany ka niampita tao amin’ny rihana faharoa. Nivadika ho afo nijoalajoala tampoka izany taorian’izay. Vokany, kilan’ny afo ny rihana voalohany sy ny rihana faharoa. « Mety ho fipoahana herinaratra no nitarika ny famaizana satria trano efa Ntaolo ihany ny foiben’ny Kiadin’i Madagasikara eto Amparibe. Nirotsaka izaitsizy rahateo ny orana omaly (afakomaly io) ka mety nitarika fifampikasohan’ny taribin-jiro mitondra herinaratra ao an-trano », hoy ny fanazavan’ny filohan’ny komity lehiben’ny Kiadin’i Madagasikara, Randrianatsimbazafy Eddy.

Nifanome tanana tamin’ny famonoana ny afo ny olona teo an-toerana raha vantany vao nanomboka ny firehetana. Tonga teny an-toerana koa ny mpamonjy voina nanampy tamin’ny famonoana ny afo.

Efa nosokajiana ho isan’ny vakoka ity foiben’ny Kiadin’i Madagasikara ity, kanjo izao tratran’ny famaizana tampoka izao.

Nanamafy ny filohan’ny komity lehiben’ny Kiadin’i Madagasikara fa toerana fanabeazana skoto ity toerana ity ankoatra ny maha toeram-pivoriana azy.

Manoloana izao famaizana izao, manao antso avo amin’ny fanjakana sy izay malala-tanana ny Kiadin’i Madagasikara mba hanohana azy ireo satria tsy misy azo raisina intsony ny entana.

Anio tolakandro no hikarakara sy hanadio ny trano sisa tsy levon’ny afo ny avy ao amin’ny Kiadin’i Madagasikara sy ireo skoto namany avy amin’ny FSM.

Jean Claude

Cet article Haintrano tetsy Amparibe : hotohoton’ny afo ny entana rehetra tao amin’ny foiben’ny Kiady est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>