
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly ny sampandraharaha misahana ny « radiothérapie », izay fitsaboana ny aretin’ny homamiadana eny amin’ny Polyclinique Ilafy. Miandraikitra voalohany izany sampandraharaha izany ny profesora Rafaramino Florine Josoa.
Efa betsaka ny olona tratran’ny aretina homamiadana eto Madagasikara. Matetika tsy fantatra izany raha tsy efa marary mafy ilay olona ary efa mananosarotra ny fitsaboana. Natao indrindra ho an’ireo marary mafin’ny homamiadana ity « radiothérapie » ity.
Anisan’izany ny homamiadan’ny nono, taolana sy amin’ny taova hafa.
Raitra sy manaraka ny toetr’andro rahateo ity fitaovana ao amin’ny Polyclinique etsy Ilafy ity. Anisan’ny tombony amin’ny fanaovana « radiothérapie » ankoatra ny fahasitranan’ilay taova marary ny fahasitranan’ny aretina rehetra manodidina ilay faritra tratran’ny homamiadana.
Anisan’ny tobim-pahasalamana 2.000 sangany manana ity fitaovana raitra ity ny Polyclinique etsy Ilafy.
Ampy fitaovana sy traikefa amin’ny fitsaboana ity tobim-pahasalamana ity. Miara-miasa akaiky amin’ny dokotera manampahaizana manokana momba ny fitsaboana homamiadana avy any amin’ny Nosy La Réunion, Dr David Kheliff sy ny fizisianina medikaly avy any Frantsa, Pierre Aletti izy ireo.
Manaraka fiofanana any ivelany ihany koa ireo ekipan’ny sampandraharaha mitsabo homamiadana ao an-toerana amin’ny alalan’ny Agence International pour l’Energie Atomique (AIEA).
Tsy voatery mandeha any ivelany intsony ny marary
Natao hanala ny fahasahiranan’ny marary eto Madagasikara no antony manokana nanafarana ny fitaovana raitra, raha ny fanazavana hatrany. Tsy voatery mandeha any ivelany intsony ny marary mitsabo ny aretina homamiadana.
Mora lavitra ny fitsaboana eto an-toerana miohatra ny fiondranana any ivelany, raha ny fanazavan’ny profesora Rafaramino Florine Josoa. Teo aloha tsy maintsy mbola mitady saran-dalan’ny fiaramanidina sy toerana hivantanana ary saram-pitsaboana ny marary rehefa hitsabo tena any ivelany.
« Raha tombanana iray ampahatelon’ny vola lany any ivelany no hahavitan’ny fitsaboana eto an-toerana », hoy ny profesora Rafaramino Florine Josoa.
Tatiana A
Cet article Polyclinique Ilafy : arifomba ny « radiothérapie » hitsaboana ny homamiadana est apparu en premier sur NewsMada.