
Tantara mitohy! Mipoitra tsikelikely hatrany ny raharaha kolikoly ao amin’ny orinasa Jirama. Araka ny fanadihadiana natao, nampanantsoin’ny rafi-pitsarana Chaîne pénale, omaly 20 novambra ny olona 15. Misy amin’izy ireo tompon’andraikitra ambony tao amin’ny Jirama, ary nisy mpandraharaha mpamatsy akora ny orinasa. Voarohirohy amin’ny kiantranoantrano, fakana tombombarotra mihoapampana, fikarohana tombontsoa ary fanamparam-pahefana izy ireo.
Raha zohina ny raharaha, nisy olona tsara sitrapo nampandre ny Jirama, fa misy ny kiantranonantrano ataon’ny tambajotra amin’ny fahazoana ny tsena amatsiana andrin-jiro vita amin’ny hazo ao amin’ny Jirama. Nomena ny vadin’ny sekreteran’ny tale misahana ny famatsiana tao amin’ny Jirama io tsena io, ary nambaran’ilay mpanome vaovao fa hatrany amin’ny 700% amin’ny vidiny tokony ho izy ny andraisan’ny Jirama ny andrin-jiro iray.
Raha nitohy ny fanadihadiana, fantatra fa nahatsikaritra tranga maro toy ity ny Bianco, ka manodidina ny 1,3 miliara Ar ny vola voarain’ity vadina tompon’andraikitra ity, tamin’ny famatsiana andrin-jiro.
Tsara ho fantatry ny rehetra, fa tsy maintsy amin’ny alalan’ny tolo-bidy ny fahazoana tsena hamatsiana akora ao amin’ny Jirama, amin’ny maha orinasam-panjakana azy, araka ny didihitsivolana 75-024 ny 17 oktobra 1975, sy ny sata mifehy ny tsena ho an’ny vahoaka (marchés publics), faritan’ny Lalàna 2004-009 ny 26 jolay 2004.
Tsy nisy voatazona na iray aza hatramin’izao
Tsikaritra fa na eo aza ny ezaky ny Bianco, ianjeran’ny rihitra sy ny fanakianana mavaivay, mazava fa misy mihitsy ny tsy fandraisana fepetra raisin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Hanamarinana izany, fantatra “indray”, fa tsy nisy fampidirana am-ponja vonjimaika ireo olona 15 voarohirohy ireo. Manamafy izany ny raharaha hafa, mikasika kolikoly ihany tao amin’ny Jirama, naha voarohirohy tompon’andraikitra ambony teo aloha ihany, vola voahodinkodina manodidina ny 30 miliara Ar, tamin’ny resaka famatsiana gropy.
Santionany ihany ireo, fa raha atambatra, efa nahatratra fito (07) ny antontan-taratasy “matanjaka”, miaraka amin’ny porofo, navoitra maha voarohirohy tompon’andraikitra sy mpiasa ambony, ao amin’ny Jirama sy minisiteran’ny Angovo teo aloha sy ankehitriny.
Tsy nandray andraikitra na tandrify azy anefa ny fitsarana, na nanasazy ireo karazana rangory fototry ny afo na mpanapotika ny Jirama ireo hatramin’izao. Toraka izany koa ny holafitry ny filohan’ny Repoblika, ny primatiora, ny minisitera, ny filankevi-pitantanan’ny Jirama, tsy hita taratra mihitsy ny ezaka azo tsapain-tanana amin’ny fandrobana ny volam-bahoaka toy izao.
Raha itsiana ny resaka, iza loatra ireo miaro ny mpambotry sy mpanapotika ny Jirama, ary iza koa no mahazo tombontsoa amin’ny fahapotehany? Manana andraikitra amin’izany ny fitsarana sy ny rafitra mpanatanteraka satria mahasahana ny fiainam-bahoaka ankapobeny sy ny Malagasy tsy ankanavaka ny raharaha Jirama.
Randria
Cet article Kolikoly andrin-jiron’ny Jirama : olona 15 indray niakatra fampanoavana est apparu en premier sur NewsMada.