Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Vaky fasana teny Anosiala Ambohidratrimo : ny firavaka sarobidy indray no norobain’ny jiolahy

$
0
0
Ventre VM

Fasan’olona, voalaza fa ana mpivady mpanakarem-be tamin’ny fotoan’androny, ary efa tsy nisokatra an-taona maro ity norobain’ny jiolahy, teny Anosiala Ambohidratrimo, omaly ity. Tsy mba ny taolam-paty, toy ny fahita mahazatra anefa no voaroba, fa ny firavaka sarobidy, niara-nalevina tamin’ireo razana vitsivitsy tao.

 

Hatairana ny an’ny mponina teny Antsahamamy fokontany Alakamisy Mandrosoa Anosiala Ambohidratrimo, omaly maraina raha nahita fasana iray novakin’ny jiolahy. Araka ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray, olona naka kitay no nahatsikaritra ny fahavakisan’ilay fasana. Nampandre ny fokonolona avy hatrany ilay olona nahita ilay vaky fasana. Ny solontenam-pokonolona indray nampandre ny teo anivon’ny fokontany ary ireto farany no niantso zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambohidratrimo.

Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary fa tsy nisy naka taolana ireo jiolahy fa ireo firavaka volamena niaraka tamin’ireo entana sarobidy nilevina tamin’ireo razana no nalain’ireo mpamaky fasana. Telo andro alohan’izao nahitana azy izao no nahavakisany raha ny fanadihadiana voaray, saingy, omaly kosa nisy nahatsikaritra ny fahavakisany.

« Tsy mbola fantatra mihitsy hatreto ny fianakavian’ireo olona milevina amin’io fasana io », hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny fokontany.

Razana dimy ihany no milevina ao amin’ity fasana ity miaraka amin’ny entana sarobidy.

Manana ny tantarany manokana ity fasana ity, araka ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray teny an-toerana. Mpivady mpanan-karembe no tompony ary efa 80 taona tany ho any ny niorenan’ilay fasana. Tsy mbola nisy namaky mihitsy ity fasana ity na ireo teo amin’ny manodidina azy. Somary mahavariana ihany ny nahavakisana tampoka nefa somary manahirana ny mamoha ny varavarana, araka ny fanazavana hatrany.

Nasain’ny tompony nariana teny Ikopa ny fanalahidin’ilay fasana…

Araka ny tantara nampitain’ny loharanom-baovao hatrany, nanafatra izy mivady mialoha ny nandevenana azy tao amin’ity fasana ity mba tsy hanofakana ny fasana intsony aorian’ny fandevenana azy ireo. Nasain’izy mivady nariana teny amin’ny reniranon’Ikopa ny fanalahidin’ilay fasana taorian’izay. Sarotra inoana, araka izany, ny hahavaky ny fasana satria tsy misy manana ny fanalahidy intsony ny fianakaviana. Na izany aza, manahy ny fokonolona teny an-toerana fa misy ambadika hafahafa momba ny fahavakisan’ilay fasana. Nahagaga ny olona ihany koa ny fahafantaran’ireo mpangalatra fa misy entana sarobidy milevina amin’ireo razana ao am-pasana.

Ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka, araka izany, ny zandary. Tsy mbola nisy rahateo ny olona voarohirohy amin’ity raharaha ity.

Miova indray izany, ny paikadin’ireo mpamaky fasana satria mionona amin’ny halatra taolam-paty fa mitady ireny fitaovana sarobidy miara-milevinna amin’ny razana ireny indray ry zalahy.

Maro ihany ireo tambajotrana mpangalatra taolam-paty efa ravan’ny mpitandro filaminana saingy vao mainka mihamirongatra hatrany izany. Tsy mahagaga raha mirona any amin’ny fandorana razana ny ankamaroan’ny olona sasany noho ny tahotra sao hisy hangalatra ny taolana rehefa maty.

J.C

Cet article Vaky fasana teny Anosiala Ambohidratrimo : ny firavaka sarobidy indray no norobain’ny jiolahy est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>