
Notontosaina, ny zoma lasa teo teny amin’ny Toby Ratsimandrava ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo zandary miisa 40 mirahalahy nanaraka fiofanana BS1 (Brevet de spécialité n°1) momba ny fifandraisan-davitra andiany fahenina. Nanomboka ny 27 avrily 2015 ny fiofanana ka naharitra enim-bolana ny faharetany. Tanjona manokana ny nanofanana azy ireo mba hahalasa « gradés », manampahaizana manokana momba ny fampitana ireo « message radio » amin’ny alalan’ny fitaovana manaraka ny teknolojia amin’izao fotoana izao.
« Mitodika amin’ireo zandary avokoa ny mason’ny vahoaka sy ny mpitondra fanjakana noho ireo tranga marobe niaraha-nahafantatra. Noho izany, hentitra amin’ny fanarahana fitsipika mifehy indrindra amin’ny fanatanterahana ny asany ny zandarimariam-pirenena. Izany rahateo ny maha miaramila ny miaramila ny fanajana ny fitsipi-pifehezana na aiza na aiza toerana isany », hoy ny fanazavan’ny kaomadin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakoto François Rodin, tonga nanome voninahitra ny lanonana.
Afaka miasa avy hatrany izy ireo ary tompon’andraikitra amin’ireo toerana hanendrena azy aorin’izao fiofanana izao.
Jean Claude
Cet article Toby Ratsimandrava : zandary miisa 40 nahazo BS1 momba ny fifandraisan-davitra est apparu en premier sur NewsMada.