Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Tsikera sy fanakianana : nitondra valin-kafatra ny zandary

$
0
0
valin-kafatra

 Nivoaka amin’ny fanginany ny zandarimariam-pirenena, manoloana ireo tsikera tato ho ato. Nitondran’izy ireo valin-kafatra ny Fivondronamben’ny fiarahamonim-pirenena (OSC). “Tsy mitombina sady tsy marim-pototra ny voalazan’izy ireo manoloana ny hetsiky ny zandary ”, hoy ny komandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakoto François Rodin, tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava, afakomaly.

     Niaiky anefa izy ireo fa teo ihany ireo zandary tsy nahafehy ny asany. Efa nandraisana fepetra sy nanaovana ezaka izany, mba tsy hiverina intsony. “Tsy mba misy mpiteny rehefa maty ny mpitandro filaminana. Manakiana kosa anefa ny fiarahamonim-pirenena rehefa ny dahalo no maty”, hoy ihany izy ireo. Nanteriny fa tohizana ny fanofanana ary alefa any ivelany aza, mandalina ny fanajana ny zon’olombelona ny zandary.

     Tsipahin’izy ireo koa ny hametrahana  ny zandary ho eo ambany fiahian’ny minisitera hafa, ankoatra ny eo anivon’ny Fiarovam-pirenena, araka ny fehinkevitry ny Rindra safatsiroa ho an’ny sehatry ny fandriampahalemana (RSS), natao teny Ivato farany teo.

Synèse R.

 

Cet article Tsikera sy fanakianana : nitondra valin-kafatra ny zandary est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>