Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Major Ivahiny : nampiteraka reny anjatony

$
0
0
mcsp

Mpampivelona na rasazy nandritra ny 30 taona ny major Ivahiny Maharavo, miasa ao amin’ny sampandraharaha misahana ny fitsaboana ny ankizy ao amin’ny hopitaly CHRR Morondava.

Efa anjatony ny reny nampiterahany. Anjatony mahery ihany koa ny zaza novelominy teo am-piterahana. “Betsaka ny sedra sy fahasarotana eo amin’ny asa fampiterahana. Aina roa no tsy maintsy avotana amin’ity asa ity”, hoy izy.

Anisan’ny tena nampivarahontsana azy raha ny fitantarany ny nampiteraka reny iray tamin’ny taona 2005 ka zaza sampona miendrika biby no nivoaka tao. Sambany tamin’ny fiainany no nahita zaza tsy arifomba toy izany ka tena nampatahotra azy. Maty anefa io zaza sampona io taorian’ny ora iray nahaterahany.

Anisan’ny fahatsiarovana tsara tena nanamarika ity rasazy ity kosa ny nampiteraka kambana efatra. “Samy avotra avokoa izany zaza izany na tsy maintsy nandalo “couveuse” ka izany indrindra no tena nahafaly satria aina efatra be izao no avotra”, hoy izy.

Nanamafy ny major Ivahiny Maharavo fa tena ilaina ny fampiofanana izay omen’ny MCSP ny mpampivelona toy izao mba hanovozana traikefa hafa. Anisan’ny fitaovana tena ilaina sy nianarana ny fampiasana “ventouse” izay manampy betsaka ny reny eo am-piterahana.

Fitaovana vaovao ihany koa ny fitrohana ny orona sy vavan-jaza vao teraka. Manala ny loto rehetra tafiditra any anatiny izany ka manampy azy amin’ny fisefoana.

Asa masina ny asan’ny mpampivelona, mivoatra hatrany ny teknolojia ka tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fianarana mampiasa ireo karazana fitaovana vaovao”, hoy izy nitondra hafatra ho an’ny rasazy toa azy.

Tatiana A

Cet article Major Ivahiny : nampiteraka reny anjatony est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles