Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Amparantanana Fenoarivo Atsinanana : trano nirehitra, mpianatra 32 tsy manan-kialofana.

$
0
0
?????????????

Tokantrano fonenan’ny mpianatra avy ambanivohitra mandranto fianarana ao amin’ny faritra Analanjirofo miisa 17 no kila forehitra ny alin’ny alakamisy tao amin’ny fokontany Amparantanana Fenoarivo Atsinanana. Trano misy rihana iray kosa kila forehitra tao amin’ny fokontany Mahavelonkely, omaly maraina.

 Ho an’ iry voalohany, mpianatra miisa 32 be izao monina amin’ ireo tokantrano 17 tafo kila forehitra. Tsy nisy noraisina intsony ny entana rehetra tao an-trano, raha fianakaviana telo trano miisa 12 kosa tamin’ny fahamaizana faharoa, vokany olona miisa 44 tsy manankialofana tao anatin’ny fotoana fohy.

Tsy niandry ela manoloana nidina nijery ireto ankizy mpianatra miisa 32 ireto ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy sy fampivoarana ny vehivavy, tamin’ny alalan’ny tale kabinetrany, Bedo Jean Michel, ary notronin’ny talem-paritry ny mponina, Razafimahefa Tojotiana, fa raha vao nahazo ny tatitra tamin’ ity farany ny minisitera dia  nitondra fanampiana ho an’ ireo traboina toy ny fitaovam-pianarana, kojakoja an-dakozia sy karazan-tsakafo.

Sajo sy J.C

Cet article Amparantanana Fenoarivo Atsinanana : trano nirehitra, mpianatra 32 tsy manan-kialofana. est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986


<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>