
Saron’ny polisy, ny herinandro teo i Patrick sy ny namany, jiolahy raindahiny amin’ny fanolanana miharo vaky trano ao Toamasina. Maro ny olona efa lasibatr’ireto jiolahy ireto…
Tao amin’ny fokontanin’Andranomadio, Valpinson, Ambohijafy ary Salazamay no tena nitondra faisana tamin’ireto andian-jiolahy ireto, araka ny fanazavana voaray avy amin’ny polisy. Ny asabotsy 8 novambra 215 tamin’ny 2 ora maraina no niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano mpivarotra iray ao Andranomadio ry zalahy. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny entana izay azo nentina tao an-trano. Nihevitra ireo jiolahy fa hoe manam-bola be ity tokantrano ity. Tsy nahita izay notadiaviny anefa ry zalahy ny ankizivavikely iray vao 13 taona monja sy ny anabavin’ny raim-pianakaviana iray no nanaparan’izy ireo ny filan-dratsiny. Voalaza fa telo mianaka izy ireo no tao an-trano ka tsy afa-nanao na inona manoloana ireo jiolahy. Lasan’izy ireo tamin’izany ny vilany miisa 26 sy môtô Scooter iray ary vary roa gony. Ny kalesan’ireo jiolahy ihany no nitondran-dry zalahy ny entana nangalariny. Nametraka fitoriana avy hatrany ilay fianakaviana niharam-boina ka nanomboka tamin’izay ny fikarohan’ny polisy.
Mitaintaina andro aman’alina, araka izany ny mponina ao Toamasina manoloana ny asan-jiolahy mitam-piadiana. Tsy vitan’izay fa mahazo vahana ihany koa ny fanolanana. Maro ireo niharam-boina vokatr’izany. Misy ny ezaka ataon’ny polisy, saingy tsikaritra fa vao mainka mihamirongatra izany. Tsy mahagaga raha mahazo vahana ny fitsaram-bahoaka.
Sajo sy J.C
Cet article Mpanolana sady mpamaky trano : voasambotry ny polisy i Patrick sy ny namany est apparu en premier sur NewsMada.