
Teo amin’ny fefiloha iray eny Ambaniala Itaosy no hitan’ny fokonolona ny taolam-paty miisa 20, afakomaly antoandro. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy taorian’izay…
Niantso ny tompon’andraikitry ny fokontany avy hatrany ireo fokonolona nahita ireto taolam-paty ireto ka ireto farany indray, niantso ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Itaosy. Voalaza ny polisy, nandritra ny fanadihadiana sy ny fitsirihana ireo taolam-paty ireo fa taolan-dava miisa 12 sy taolam-pohy miisa valo no hitan’izy ireo teny amin’ilay toerana nametrahana ny taolana. « Tsy mbola nandrenesana fasana vaky aloha hatramin’izao (afakomaly io) teto amin’ny faritra iadidiako, saingy mbola manao ny fanadihadiana hatrany izahay momba ny fiavian’ireto taolam-paty ireto », hoy ny fanazavan’ny kaomisera Ravelomanantsoa Eric Jaona, raha nanontaniana mikasika ity raharaha fahitana taolam-paty ity. Miahiahy, araka izany, ny mponina eny Ambaniala fa mety avy nangalarina ireto taolana ireto ka nafenin’ireo mpangalatra mialoha ny hanondranana azy.
Mitovy lenta amin’ny trafikana zava-mahadomelina, andramena, sokatra… ny halatra taolam-paty. Maro ireo voarohirohy efa nidoboka am-ponja noho ity raharaha ity, saingy tsy mety tapitra mihitsy izany fa vao mainka mihamitombo hatrany aza. Hatreto aloha, tsy fantatra marina ny tena ampiasana ireny taolam-paty ireny. Fantatra fa amina tapitrisany ny iray kilao ka mahatonga ny mpangalatra mirisika sy mivarotra aina manao ity asa hafahafa ity.
Jean Claude
Cet article Ambaniala Itaosy : taolam-paty miisa 20 hitan’ny polisy est apparu en premier sur NewsMada.