
“Handray fepetra hentitra toy ny fampidinana avy hatrany ireo olona mitaingina môtô na ny mpitondra na ny entina ka tsy manao aroloha. Tsy ekena intsony koa ny fitondrana zazakely na ankizikely amin’ny môtô fa tsy maintsy ajanona ary sazina ilay mpitondra môtô”, hoy ny fanazavan’ny commissaire central, ny commissaire divisionnaire de police, Ratsirombahina Germain sy ireo mpiara-miasa aminy nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly teny Tsaralalana.
Nanao tohivakana tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana amoizana ain’olona amin’ny môtô. Nampahatsiahy, araka izany, ny teo anivon’ny polisim-pirenena fa tsy maintsy manao aroloha izay rehetra mitaingina môtô. Tsy azo atao koa ny manao taingin-droa na taingin-telo ary voarara tanteraka ny fitondrana zaza na ankizikely amin’ny môtô.
Tsy filam-baniny, araka izany, fa matoa mandray andraikitra ny polisy amin’ny fampiharana ny lalàna, mba ho fiarovana ny ain’ny olona tsirairay izay mandeha môtô izany. Maro rahateo ny olona manao antsirambina ny ainy nefa tandrevaka kely fotsiny dia mety hamoizana aina toy ny vao nitranga ny faran’ny herinandro teo. Aleo misoroka dieny mialoha satria patsa iray tokoa tsy omby vava rehefa tonga ny loza.
Jean Claude
Cet article Hentitra ny polisy : tazonina avy hatrany ny môtô tratra mitondra zazakely est apparu en premier sur NewsMada.