Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Fitsaram-bahoaka nahafaty zandary, Namorona Mananjary : misy ampanjaka roa nosamborina

$
0
0
ventretaratra

Ankoatra ilay ben’ny Tanànan’ny kaominina ambanivohitr’i Namorona, distrikan’i Mananjary, fantatra, araka ny tatitra avy amin’ny zandarimariam-pirenena, misy ampanjaka roa koa nosamborina, afakomaly. Izany dia taorian’ilay fitsaram-bahoaka nahafaty ny zandary chef de poste, tany an-toerana ny faran’ny taona teo.

Ankoatra ilay ben’ny Tanàna, Ampanjaka roa koa voasambotra afakomaly, ahiana ho tompon’antoka niaraka tamin’ilay ben’ny Tanàna tamin’ny fitarihana olona hanao fitsaram-bahoaka tamin’ny Chef de Poste avancé-n’ny kaominina Namorona ao Mananjary, ny GP2C Fanambina Marcellin”, hoy ny vaovao avy amin’ny zandary iray ao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava ao Fianarantsoa. Efa nisy13 voasambotra mialoha ny nahasamborana ireto Ampanjaka roa lahy ireto. Nanamafy ny zandary fa tsy hanaiky mora izao fanaovana fitsaram-bahoaka ny naman’izy ireo izao. Manaporofo izany izao fisamborana ny Ampanjaka roa izao .

Tsiahivina fa novonoin’iny andian’olona nitaky fitsaram-bahoaka, ny 29 desambra 2016 maraina teo ny GP2C Fanambina Marcellin. Naratra kosa ny namany iray. Voasambotry ny zandary nanao fisafoana niaraka tamin’ny sefo fokontany ny 29 desambra tamin’ny 1 ora maraina ny lehilahy iray nokarohina noho ny fandorana tranon’olona rehefa avy nifoka rongony izy. Nahazo loharanom-baovao avy hatrany ny CP fa misy andian’olona mikasa hanao fitsaram-bahoaka ity lehilahy voasambotra ity. Nandray fepetra ny CP ka namindra azy any Mananjary vao maraimbe mba hisorohana izany. Tonga tokoa ireo andian’oloha nitaky ny hamoahana ilay lehilahy voasambotra, kanjo ny GP2C Fanambina sy ny namany iray hafa indray no tratran’ny fitsaram-bahoaka rehefa tsy hitan’izy ireo tao ilay notadiavin’izy ireo.

Fahasahiana tsy misy toy izany…

Nahazo vahana tamin’iny taona 2016 iny ny fitsaram-bahoaka. Fahasahiana ny fanaovana fitsaram-bahoaka amin’ny mpitandro filaminana toy izao. Efa nisy andian’olona toy izao koa niditra an-keriny sy namotika ny biraon’ny zandary tao Mampikony, ny novambra teo. Nitaky ny hamoahana olona mba hanaovana fitsaram-bahoaka. Tsy nanaiky anefa ny zandary ka niafara tamin’ny famotehan-javatra izany. Tamin’ity indray mitoraka ity kosa anefa niafara tamin’ny famonoana mihitsy.

Tokony hojeren’ny fanjakana akaiky ny raharaha toy izao satria tsy vitan’ny jiolahy sy ny olon-tsotra intsony ny tratran’ny fitsaram-bahoaka fa efa ny mpitandro filaminana. Toerana isan’ny malaza amin’ny fanaovana fitsaram-bahoaka i Mananjary raha tsy ilaza ilay ramatoa matin’ny fitsaram-bahoaka noho ny fitondrana henan-kisoa tao amin’ny toerana masina ao Mananjary.

J.C


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>